airtel

Politique

20-oct-2021

Politique

Bokan-trosa ny Fanjakana Mangotraka ny grevin’ny oniversite, mpandanja fiara,…

Sample post image

Miha mangotraka ny grevy etsy sy eroa, indrindra taorian’ny vava nataon’ny Praiminisitra ny alakamisy 14 septambra, fa tsy terena handoa vola amin’ny alalan’ny grevy ny Fanjakana,

20-oct-2021

 ary mila miandry fandaminana. Fa fandaminana inona loatra no tsy vita ao anatin’ny 2 volana, 8 volana, herintaona,…? Omaly, nanamafy ny fidinana an-dalambe ny Mpandraharaha PAT (Personnel Administratif et Financier) eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, ary nanampy tosika azy ireo ny mpianatry ny anjerimanontolo, mitaky ny fandoavana ny karamany roa volana. Nangotraka ny fanakanan-dàlana, fandorana kodiarana sy fandrehetana afo, ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana, raikitra indray ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso. mbola nanamafy izy ireo, fa tsy hijanona ny fitakiana raha tsy voavaha ny olana. Tao anatin’ny 60 taona tsy nisy an’izany karama tsy voaloa izany, tena famonoana ny mpandraharahan’ny oniversite. Tsy hanaiky hatramin’ny farany na ho vy na ho vato,... hoy iteo PAT. Niverina nanamafy ny fitokonany faobe nanomboka omaly ihany koa ireo mpandanja fiara eny amin’ny làlam-pirenena, izay efa 8 volana tsy nandray karama. 8 volana izahay tsy mahazo karama, kanefa mahatratra hatrany amin’ny 3 miliara Ar ny vola nampidirinay, hoy ireo mpiasa amin’ny toeram-pandanjana fiara. Nanambara ny hanao fitokonana ihany koa ny SEMPIDOU (Sendikan’ny Mpiasan’ny Douanes) manomboka rahampitso 21 septambra maraina, ary haharitra telo andro. Fiandrasan-draharaha ihany no hisy ka tsy hikirakira afatsy ireo entana mora simba, fanafody, fitaovana ara-pahasalamana sy ara-pitsaboana, entana ara-diplaomatika, biby velona, ary razana. Efa nisy kosa ny taratasy navoakan’ny manam-pahefana amin’ny alalan’ny Prefektiora nilaza fa tsy azo atao ny fitokonanan’izy ireo. Ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny asa vaventy 230 eo, izay nanao ny làlana, dia mitaraina fa efa herintaona mahery no tsy azony ny volany manodidina ny 33 miliara Ar ny sandan’ny hatsembohan’izy ireo tsy voaray. Ny mpiasan’ny Orinasa Kraoma tsy tena mbola migrevy, saingy mitaky izay ny hamelana ny fanondranana ny vokatra, ny orinasa Jirama izay manana olana amin’ny orinasa mpamatsy solika, ny Fanjakana manana olana amin’ny kaompanian-tsolika ary voalaza fa hatrany amin’ny 43 miliara Ar ny trosan’ireo amintsika amin’ny fitazonana ny vidin-tsolika,… Tototry ny trosa sy ny fitakiana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap