tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Politique

Christian Andriatsimiavona “Aleo ny olona adala tsy omem-pahefana…”

Vanim-potoana manatratra ny tanjon’ny arivo fahatelo isika izao, mba hitondrana rivo-baovao. Mivoatra ny tontolo, tonga amin’ny satan’ny adalo na “verseaux”,

15-nov-2022

Sample post image

miova sata izao tontolo izao, mivimbina siansa sy fitiavana, araka ny fanehoan-kevitra nentin’Atoa Christian Andriatsimiavona isan’ny angady nananana sy vy nahitana ny Sekoly Ambony Fanahy no Olona na SAFO, raha nivahiny tao amin’ny Fandaharana Bemiray an’ny Top Radio FM 102.8 omaly 14 novambra 2022. Tanjon’ny SAFO ny fanabeazana, fibeazana, fanatsarana, fanandratana ny firenena,… ka hananganana fotodrafitrolona hananana olona tsara satria ny fanahy no olona, ary ny no harena voalohany. “Mandroso ny fanatontoloana sy ny teknolojia sy ny fivoaran’ny fiananan’ny zanak’olombelona hanamaivanana ny fahasahiranana. Tsy vitan’ny milina sy ny solosaina kosa ny ara-panahy”, hoy izy. Aminy, diso ivo ny fanjakana ankampobeny, nifandimbiasana io, diso ivo tsy mahazo ilay mari-drefy fanahy no olona, lasa tora-po ny zavatra iainana eto izay miteraka fikorontanana manempotra. Lasa tsy mifampatoky, tsy mifanaja, tsy mifamelona, ka vokany dia mikorontana ny fiarahamonina, sempotra ny olona,… Tsy misy rivo-pihavanana, ka na manao sekoly, làlana, hopitaly,.. aza tsy mahazo sitraka ilay Fanjakana. Miantso firaisan-kiana ny fiangonana, miantso firaisan-kiana ny Filoha fa manino no tsy tafita? Nomarihiny fa mifameno foana ny fotodrafitrasa sy fotodrafitrolona, kanefa tsy misy izany fotodrafitrolona amin’izao fitondrana izao. Ilay mari-drefy maha fanahy tsy iainana sy tsy tafatoetra, fa entin’ilay torapo dia natao haingon-teny sy hoentina hamalifaliana fotsiny hoe: isika Malagasy olon’ny fanahy, tia fihavanana,... hoy Atoa Christian Andriatsimiavona. “Tsy tokony hatao haingo fotsiny io, ary izay no antom-pisian’ny Sekoly Ambony Fanahy no Olona, hanajoro sy hanosika hatrany foana, fa ny olona adala tsy omem-pahefana, ny olona adala tsy hiray hina mihitsy na inona na filazany”, hoy hatrany izy. Ny adala tiana holazaina dia ilay ao anatin’ny mari-drefy tsy mangalatra, ary ny antsika Malagasy dia ny fanahy no olona. Ny olona mifaka amin’ny lohany, ary ny biby tsy manan-doha tsy mandeha. Ny Filoham-pirenena izany dia antsoina hoe: “masoandro”, ka ny Masoandro midika hazavana, fiombonana, fahatsarana, ka rehefa tsy izy mihitsy no miteny hoe: andao isika hitambatra, ity ny fahatsarako, ity ny hazavako, ny tenako tsy mangalatra,… Misy soatoavina sy hasina kanefa tsy tanteraka fa lasa haingon-teny ilay fitambarana. Raha vao diso avy any an-tampony dia mivaralila daholo ka inona tokoa moa ny zavatra tsy hita eto? Kolikoly, fahalovana, tsy misy sehatra tsy ahitana an’izany, lasa manepotra, ka ny zavatra manepotra tsy maintsy soloina “oksizenina”, hoy hatrany Atoa Chriastian Andriatsimiavona. Ny filoham-pirenena, efatra taona izay nitondrana, ka samy mijery isika hoe: inona no zava-misy tao anatin’izany? hoy ny fanontaniany. Eny Andohatanjona Itaosy moa no Misy ny Sekoly Ambony Fanahy no Olona, ka ho an’izay liana dia afaka miantso ny laharana 034 61 856 95.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may
06-juin-2023

Hotsaraina afaka 10 andro i Nambinina sy Doris

Card image cap
Olona namono tena ho an-dRajoelina Misy ny any am-ponja, ao ireo sosotra noho ny ankilabao
06-juin-2023

Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.

Card image cap
Fihaonan’i Rajoelina sy Macron Sao dia mba hanao «Accord de coopération » vaovao ?
06-juin-2023

Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Card image cap
Fampiharana demokrasia Tena mbola lavitry ny fenitra i Madagasikara
06-juin-2023

Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.

Card image cap
Ninie Donia Naverina am-ponja taorian’ny fitsidihan-dry Siteny
06-juin-2023

Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana «Ny haizina mbola hazava»
06-juin-2023

Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.

Voir plus