airtel

Politique

28-févr-2023

Politique

Christine Razanamahasoa Ataon’ny olon’ny fitondra maty henjika indray

Sample post image

Maro ireo olon-tsotra na mpanao politika tsy miombon-kevitra tamin’ny karazana kabary politika nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sady Filohan’ny FIZAFAFI (Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’I Fianarantsoa) ny sabotsy 25 febroary 2023 teo.

28-févr-2023

Ny firesahany hanome vato ho an’ny Filoha ankehitriny Rajoelina fa omena azy ireo ny toeran’ny Praiminisitra sy ao Tsimbazaza ary tokony hahazo minisitera 10 moa no isan’ny niteraka adihevitra. Amin’ny lafiny iray, naneho sy nampiharihary Rtoa Christine Razamahasoa fa mafy sy matanjaka ny faritanin’I Fianarantsoa ka afaka mangataka sy manao tsindry ara-politika hoe: eny ary fa hanohana anao izahay fa izao ny tambiny!? Na izany aza mety fijeriny manokana izay, ary mety aingam-panahy sy fietanam-po nibosesika teo anatrehan’ny fahitana vahoaka an’arivony maro. Tena hanaraka ny toromarika na “cosigne de vote” avy aminy ve anefa ny Mpikamban’ny FIZAFAFI raha ampidirina amin’ny politika sy fifidianana? Olon’ny volomboasary avokoa ve ny mpikambana? Ny sary politika taorian’iny, dia sesilany ny fanenjehana an-dRtoa Christine Razanamahasoa ataon’ny olon’ny fitondrana. Hatramin’ny fampahalalam-baovao mpanohana ny Fanjakana ankehitriny, dia milaza fa norefesin-dRtoa Christine Razamahasoa ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Tsy nitsitsy Atoa Soja Jean André na Kaleta Mpanolo-tsaina ara-politikan’ny Filoha nilaza omaly hoe: “Ianareo ihany no manan-doha fa izahay sanana? Toliara izany mahazo minisitra 2, Diego 3, Antananarivo 2, Toamasina 2, kanefa ny governemanta fantatra tsara fa 36? Raha 10 isaky ny faritany 6 dia 60 izany. Mangataka aminao aho madama, aza manao an’io ianao”. Nisy ihany koa depiote IRD tsy nomba ny tenin’ity Filohana andrim-panjakana ity. Hanao ahoana ny toerany ao Tsimbazaza sy ny fifandraisany amin’ny Filoha sy ny ekipany? Tsara ny manamarika fa lany 100% izy tamin’ny fifidianana filohan’ny antenimieram-pirenena izay midika amin’ny lafiny iray fa filohana andrim-panjakana marin-toerana indrindra. Tsy hay anefa ny tsimbadika politika. Taorian’ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay nataon’ny olon’ny fitondrana sasany maty henjika tamin’ny raharaha Vatovavy-Fitovinany, kere, tifitra, varo-janaka,… dia Rtoa Christine Razamahasoa indray izany izao no isan’ny lasibatra noho ny fijery politikany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap