airtel

Politique

25-mars-2024

Christine Razanamahasoa

"Nisy fitaka hatramin’ny 2009! Tsy maintsy hovaina ny ampitso"

Sample post image

Vely kanota ho an'ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany ny fanambaran'ny Filohan'ny Antenimierampirenena

25-mars-2024

Christine Razanamahasoa nanoloana ireo herivelona samihafa teny Tsimbazaza ny sabotsy teo. Nambarany fa milentika ny Firenena, ka tsapako sy henoko, hoy izy, ireo fitalahoana, tsapako sy reko ny f fitarainana sy fahasarotana iainantsika, reko ny tarainanareo tanora. Nahitsy i Christine Razanamahasoa nilaza hoe: "Tsy izao mihitsy no nifanarahana Tompoko, raha nanao ny tolom-bahoaka, tolona ho an'ny Malagasy 15 taona lasa izay. Velom-panantenana tamin'izany, fa amin'izao fotoana izao Firenena faran'izay mahantra i Madagasikara, ka tsy izany no nampanantenaina", hoy hatrany i Christine Razanamahasoa. Na tamin'ny 2009 aza dia vaky vava ihany ny tenany nitsotra 15 taona aty aoriana, fa namofona fitaka. "Ny tena marina dia toy ny jamba niala ny maizina ireny izahay tamin'ny tolona natao teny an-dalambe ka nahatsapa hoe: ireny anie ka efa nisy kay fitaka fa izahay angamba no vendrambendrana, ka dia nandeha am-pinoana sy am-pahatokisana", hoy ny Filohan'ny Antenimierampirenena. Karazan'ny ampamoaka mikasika ny raharaha 7 febroary 2009 no nasiany resaka teo, toa nanehoany fa nilafika teo ambony famitahana vahoaka, ka tsy ny tena fahafahana sy fandrisoana nodradradraina no azo fa fahantrana sy filentehan'ny Firenena. Nahitsy izy nilaza fa fandrika tanteraka no tao Ambohitsorohitra ary "Pseudo" fahafahana na sarintsarim-pahafahana no hita sy noraisina. Ao anatin'ny fitondrana aho ary ianareo ihany no milaza fa "légitime" sady "légale", kanefa tsy voatery, fa noho ny fahasarotana miantso sy manery, dia tsy maintsy mijoro mampaneno lakolosy manambara ny fahasahiranana sy ny loza mitatao ho an'ny tanindrazana. Hentitra noho izany ity filohana andrim-panjakana ity nilaza fa tsy hiray tsikombakomba amin'ny ratsy sy ny fitondrana ny vahoaka any amin'ny tsy izy, fa adidiny ny miteny ny tsy mety satria olom-boafidy izy, solombavambahoaka mitondra ny feon'ny vahoaka izay mametraka azy ireo teo.

MITAKY NY AMPITSO HIOVA IZAO FANGIRIFIRIANA IZAO
"Izao fangirifiriana izao dia mitaky ny ampitso hiova, koa raha mitovy ny mamparary antsika, raha mitovy ny fitiavantsika ity Madagasikara ity, ary raha mitovy ny heritreritsika, dia tarito sy tantano aho, ary ampio aho handray fanapahan-kevitra hanovana ny Firenena", hoy hatrany i Christine Razanamahasoa. Toa mifono hevi-dalina io nambarany io. Nohamafisiny hatrany rahateo fa ny "Olona" no olana eto amintsika fa tsy ny rafitra. Io "Olona" io no mandetika ny Malagasy sy ny firenena anaty fahantrana lalina, hoy izy. Lalana mizotra makany amin'ny fanaisorana io olona ambarany fa mandetika ny Firenena io mba ho fanavotam-pirenena ve no soritan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena sy ireo Vondrona sy vovonana samihafa ao an-damosiny? Tsapa ho manana fahatokisan-tena lehibe rahateo ny tenany izay marihina fa vao avy nivoaka ny Firenena vao tsy ela ka azo heverina fa na eo aza ny politika anatiny dia mety ho mifandraika ihany koa amin'ny jeopolitika ny fanapahan-kevitra mety horaisiny sy ireo mpiara-dia aminy. Ity Filohana andrim-panjakana ity izay hany filohana andrim-panjakana heverina ho marin-toerana eo anatrehan'ny iraisam-pirenena, raha ny sary nitranga hatrizay. Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap