tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Clémence Raharinirina Nahazo sazy miantona 12 volana

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha Clémence Raharinirina. Fanagadrana 12 volana, sazy miantona no azony.

08-févr-2023

Sample post image

Hampakatra ny raharaha izy, noho izany, manoloana izao didy izao, raha ny fampitam-baovao voaray. 2020, 2021, 2022, 2023, efa-taona niakatra sy nidina teny amin'ny fitsarana ny tenako, hoy I Clémence Raharinirina. Raharaha miisa 9 be izao no nitoriana, hoy izy. Samy nitory daholo na ny prezidam-pokontany na ny mpanolotsaina pro-Naina na ny Prefe na ny fanjakana, indrindra fa ny ben'ny tanàna. Nisedra ny teritery na "pression" sy "fampihorohoroana" rehefa miakatra fampanoavana. Nitaintaina niakatra «juge d'instruction» amin’ny alimbe. Hita avokoa na ny «cybercriminalité» na ny «commissariat central» na ny zandarimaria Fiadanana. Nijoroana avokoa teo anoloan'ny hazo meloka na tao amin'ny «tribunal de première instance» na ny PAC na ny «tribunal administratif». Niainana mandavan-taona ny fitaintainana saingy mahery ny Andriamanitro izay inoako sy isaorako ka tsy namela ahy irery fa niady teo anilako hatrany satria tsy ho ahy na ho an'ny ankohonako no niadiako fa ho an'ny vahoakan'antananarivo sy ho an'ireo rehetra niharan'ny antsojay. androany (TTF : omaly) 7 febroary dia nivoaka indray ny didy. Sazy miantona 12 volana an-tranomaizina no nomen'ny fitsarana fa hoe nitarika olona an-dalambe hanongam-panjakana hono ny 9 aprily 2022. Dia ahoana izany ry milaza ho mpiaro ny zon'ny mpanjifa nidina teny amin’ny 13 may sy ry ben'ny tanàna sy depiote nidina an-dalambe nitaky fametraham-pialan’ny prefe e!! governora e!! minisitra e!? An-dry zareo tokoa ny fahefana dia aleo izy hanararaotra saingy na izy aza dia efa mahafantatra fa misy farany ny fahefana ary ny vahoaka no tompon'ny fahefana fa mpindrana ihany izahay olom-boafidy. Izany indrindra no tsy ampihemotra ahy raha mbola misy koa ny zavatra tsy rariny. Isaorako mitafotafo ireo mpisolovava sy ireo rehetra natoky, matoky ary mbola hatoky ahy ka nanohana sy niara-nientana hatrany. ireny sedra ireny dia manamafy hatrany ny fitiavan-tanindrazana ato anatiko ary ny faniriako dia ny mba ho ela velona ahita ny fiafaran'ireo mpanao ratsy satria na ho aiza na ho aiza ary na ho ela na ho haingana dia ‘’tsy maintsy hijinja tadio ireo rehetra namafy rivotra’’. koa andrasako am-pitoniana tanteraka izany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus