airtel

Politique

10-mars-2026

Cyprien Michel

Raheriharimahefa

Sample post image

Tsy mety intsony ilay fifidianana filoham-pirenena mandeha aloha!»

10-mars-2026

Programme de la refondation» na fandaharana ny fanorenana izany no voalaza fa nalefa any amin’ny SADC fa tsy tondrozotra, hoy ny manam-pahaizana momba ny politika sady mpikamban’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena na CSC nisahana fifidianana sy famahana krizy teto amin’ny firenena, Cyprien Michel Raheriharimahefa. Tsy midika ho fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-tokantranon’ny malagasy, hoy izy, ny fisian’ny tondrozotra. Ny rafitra ilaina amin’ny fanorenana izay tsy voatery anaty lalàmpanorenana dia tsy maintsy amoahana tondrozotra. Tsy tody amin’ny fanorenana isika raha tsy misy tondrozotra. Heverina fa tsy maintsy ahintsy, noho izany, ny praograma naroson’ny fitondràna. Tsy mety raha mandidy dia homana ny mpanao politika. Mila ahintsy faran’izay haingana ny itondràna ireo dinika eto amin’ny firenena, izay tsy maintsy diniky ny samy malagasy. Matoa nanaiky ny antsoina hoe «ni…ni» ireo kandidà ho filoham-pirenena teo aloha noho ny fanerenay an-drizareo hiditra amin’ny fanarahan-dalàna dia nahomby izany ny fanelanelanana. Teo amin’ny fifidianana hamahana krizy no nandringa. Ny tondrozotra tamin’izany, andininy faha 28, dia nilaza fa ny FFKM, ny Raiamandreny mijoro, ny Finoana, ny CNOSC no tomponandraikitra teo. Nisintana ny FFKM rehefa nandeha ny ezaka rehetra. Voasakana ny «mécanisme de suivi et de contrôle», izany hoe ny dingana fanaraha-maso, rehefa nandeha ny «ni…ni», izay nandrara ny kandida Rajoelina sy Ravalomanana tsy hirotsaka. Tsy mahita ny hala-bato izany. Ny endrika ivelan’ny fifidianana no hitany hoe io fa misokatra ny biraom-pifidianana, misy delege ao, tonga daholo ny biletà sy ny karazany. Any amin’ny lisitry ny mpifidy, fanovàna voka-pifidianana, fampiasàna fitaovam-panjakàna sy ny karazany no mitranga ny hala-bato. 17.000 Dolara no nomena ny CSC tamin’izany hihetsehany. Tsy ampy nitantanana ilay «mécanisme de suivi et de contrôle» nefa izany. Be dia be no tokony ahitsy. Tokony fidiana ny lehiben’ny fokontany dia miainga eo ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Ny rafitra mpanara-maso no manara-maso hoe mizotra ara-dalàna ve ny fanaovan’ny fokontany ilay fanisàna mpifidy. Ny anankiray ity fampiasàna fitaovana sy fividianana mpifidy ity. Tsy maintsy miova io. Vao miala ilay antobola na «cautions» mavesatra be dia tsy maintsy miainga amin’ny antobola tohanan’ny avy any ifotony. Tsy maintsy miainga avy any ambany amin’izay ny fifidianana ireo kandida tokony hirotsaka aty ambony. Raha izao no itondràna azy dia mbola hamerina ny fanao nidofotra teo aloha isika. Tsy mety intsony ilay fifidianana filoham-pirenena mandeha aloha! Nentin’ny sokajin’olona ahafahan’ny loko tokana hifehy fahefàna iny. Efa voakajy rahateo ireo lalàmpanorenana hifehy rafitra samihafa hoe fehezina ny fifidianana dia rehefa loko tokana ny amin’ireo rafitra samihafa dia ilay rafitra indray no omena fahefàna hanendry olona, ohatra hoe ny ary amin’ny HCC dia hoe misy ny avy aty amin’ny antenimieram-pirenena dia misy ny avy aty amin’ny antenimierandoholona na fiadidiana ny repoblika nefa fifidianana efa voafehy. Ny hiafaràny dia loko tokana avokoa no manendry azy rehetra. Tsy misy demokrasia mihitsy. Tsy maintsy ingaina aty ambany, noho izany, no vahaolana, araka ny efa voalaza teo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap