airtel

Politique

14-sept-2023

Danny Rasolofomanana

« Mety ny paikadin’i Tahina Razafinjoelina hitondrana ny firenena »

Sample post image

Tapa-kevitra ny hanohana sy hiara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina (FTT) i Danny Rasolofomanana (Gemstone),

14-sept-2023

Filohan’ny fivondronan’ireo mpandraharaha ara-bato ho an’ny fampandrosoana an’I Madagasikara na Groupement des Opérateurs Miniers pour le Développement de Madagascar (GOMDM). Nisy ny fihaonana teo aminy sy ny kandidan’ny FTT omaly, nifanakalozana hevitra sy nifampiresahana momba ny raharaham-pirenena ; ireo zava-misy, ny olana sy ny mety ho vahaolana amin’izany. Mpandraharaha ara-toekarena tena manana ny maha izy azy I Danny Rasolofomanana. Isan’ireo miavaka tamin’ny tantaran’ny fahombiazany na “success story” satria voalaza fa niainga tany amin’ny kely, kanefa tonga olona tena manana ny maha izy azy. Anisan’ireo olombelona niezaka mafy tamin’ny fiainany izy : efa avy nanao asana mpanentana, mpaka sary anaty lanonana, nanaraka fiofanana ara-miaramila, mpanety, mpitondra fiara fitateram-bahoaka mampifandray an’Antananarivo sy Ambilobe ary nanao asa maro hafa ihany koa ankoatran’ireo, raha ny fantatra. Ankoatra ny tontolon’ny vatosoa, dia misehatra amin’ny fitaterana an’habakabaka izy ankehitriny satria manana fiaramanidina sady mpanamory fiaramanidina ihany koa. Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena, nisy fotoana aza efa nahoraka fa mety ho anisan’ireo kandida Filoha I Danny Gemstome. Tapa-kevitra anefa izy rehefa nandinika ny zava-misy fa ny Vina entin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana no maharesy lahatra azy. Hoy indrindra izy tao amin’ny pejiny : « Marina fa namana daholo ireo ! Raha ohatra ka hanohana aho dia izy no ho tohanako, satria mety ny fomba fijereny sy ny paikadiny tokony hitondrana ny firenena .Am-pitiavana hatrany ! ». Araka io andraikiny efa voalaza etsy ambony io dia mpandraharaha amin’ny sehatry ny vato i Danny Gemstone ary mahafantatra tsara ny olana sedrain’io sehatra io izay mamelona olona manodidinany 2 tapitrisa eto Madagasikara. Anisan'ny programan'asan'i Tahina Razafinjoelina moa ny ampidirana ao anaty programam-pampianarana ho an'ny faritra voakasik'izany harena an-kibon’ny tany izany, ny harena ananantsika, ary ireo injeniera sy mpahay momba izany dia hanampy ireo mpitrandraka Malagasy hiary ampitombo ny asan'izy ireo. Hanampy ao anatin'izao hatrany ny niomerika ahafahana mampivelatra ireo mpandray ny entana, ny fanatsarana eto an-toerana ny entana mba amorona asa eto Madagasikara izany, ka vato na harena an-kibon'ny tany efa voahodina no tanjona amidy any ivelany, ankoatr'ireo efa azo jifaina eto an-toerana, hojerena ny mpiantsehatra rehetra, mba tsy ho tompony mangatak’atiny ny Malagasy. “Isika tsy sanatria hanao ranon'Ikopa,... fa misokatra amin'ny firaisankinan'ny rehetra. Misaotra an'i Danny Rasolofomanana (gemstone) nisafidy ny hiara-dia amintsika”, hoy I Tahina Razafinjoelina raha nampita hafatra fohy amin’ny tambajotran-tserasera.

Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap