Dany Rakotoson, fa “gouverner c’est prévoir” na jery lavitra no atao hoe mitondra. Efa tokony anatin’ny PEM izany sosialim-bahoaka izany, hoy izy. Tadidio tsara fa isan’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka ny fisian’ny fotodrafitrasa maro mifanaraka satria tsarovy tsara fa ireny no manome harena sy vola ilay vahoaka mihary any amin’ilay toerana misy ilay izy. Ny fotodrafitrasa no mampisy fiforonana asa ary ny fiforonana asa no manatsara ny sosialim-bahoaka. Izay foana io fa tsy hoe fanomezana vary 1 gony na vatsy tsinjo. Tsy niomana hitondra ve ilay fitondrana amin’izao fotoana izao ka rehefa sendra olana toy ireny Covid 19 na rivodoza toy ireny dia mikoropaka tsy mahita vahaolana aingana nefa ain’olona no lalaovina? Be dia be ny matin’ny fahantrana, matin’ny tsy fandriampahalemana, very harena amin’ny fihariana noho izay tsy fananana politika hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka malagasy tsirairay avy izay. Tokony hisy fikaonan-doham-pirenena mihitsy handinihina hoe malagasy tahaka ny ahoana no tokony ho eto afaka 3, 10, 30 taona? Tokony faritana tsara hoe malagasy mianatra, mahay, manan-karena, mihary, salama. Tokony tsy ho hita intsony izany malagasy mipetraka amoron-dalana izany. Anatina vanin’andro akaiky fifidianana ilay mpitondra no miresaka zavatra ohatran’ireny. Mampalahelo fa araraotina ny fahabadoan’ilay vahoaka malagasy. Famonoana toekarena goavambe izany fanajanonana fotodrafitrasa izany. Marina fa tsy mifanaraka amin’ny ankamaroan’ny malagasy ny ankamaroan’ilay fotodrafitrasa satria vonjy tavan’andro fotsiny mba entina ireharehana fa ny zava-misy nefa tadidio fa ireny koa no mba hany mampidi-bola eo amin’ilay faritra anaovana ilay fotodrafitrasa. Ohatra fotsiny hoe ny mpanao trano, ny taotrano, ny vidin-tsimenitra eo amin’ilay toerana, ny fanatsarana rehetra dia mitondra harena ho an’ilay faritra. Tokony miomana amin’izay mety hitranga foana no atao hoe fitondram-panjakana ary izany io ataon’ny rosianina amin’ny Okrainina io satria hitany hoe mitady hanafika azy ny tandrefana. Izao izy dia efa miaro tena fa tsy andrasana ho tonga eo am-bavahady akory ny fahavalo vao hiaro tena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.
Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.
Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.
Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny
Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.