airtel

Politique

01-mars-2023

Politique

Dany Rakotoson “Lainga sy fitaka ireny vina sy paikady ireny”

Sample post image

Anaty fanomanana fifidianana isika ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Tanjona, noho izany, ny hanana stratejia tsara, hoy izy.

01-mars-2023

 Ao anatiny ny hoe iza no alefa any amin’ny tanin’ady dia iza no ampirimina any ivelany mba tsy ho alain’ny sasany na tsy fantatra fa stratejia daholo izany rehetra izany. Tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany rehetra izany. Tsy misy fiantraikany amin’ny fahefa-mividy. Izany no mila vahaolana haingana fa ny fanendrena izany efa mahazatra. Isaky ny filankevitry ny minisitra dia saika misy izany foana, hoy hatrany ny fanehoan-keviny manoloana ny fampahafantarana fa hanendry masoivoho indray ny fitondram-panjakana. Fitaka bevava, hoy izy, ny ankamaroan’ireny hoe vina sy tetika ary paikady nampahafantarin’ireo minisitra isan-tokony ireny satria ohatran’ny manao propagandy. Mila tsapantsika tsirairay avy fotsiny hoe manao ahoana ny fiainantsika isan’andro? Ny zava-misy amin’ny politika eto amin’izao dia afaka miteny daholo ny olona hoe nahavita zavatra saingy ny fanontaniana mipetraka dia hoe manao ahoana ny fiainantsika tsirairay avy? Manao ahoana ny tsy fandriampahalemana? Manao ahoana ny fianaran-janakao? Na hiteny tahaka ny inona aza ireo minisitra ireo hoe izao no vinany ka tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny malagasy dia toy ireny dokam-barotra feno fitaka ireny foana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap