airtel

Politique

20-oct-2021

Politique

Dany Rakotoson “Mba lanjalanjao ihany ilay werawera”

Sample post image

Mba lanjalanjao ihany ilay werawera, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny.

20-oct-2021

 Fitondrana 2003 hatramin’ny 2009 angamba no tena nanana politika amin’ny doro tanety, hoy izy. Tamin’ireo no niarahantsika nahita ny fihenan’ny doro tanety. Tonga dia sahy niteny sy nanagadra izay tratra ny mpitondra. Amin’izao fotoana izao tadidio fa isaky ny misy ny resaka tsy fahamarinan-toeram-panjakana eto amin’ny firenena dia maro foana io doro tanety io. Tsy manana politika ilay fitondrana misy ho fandaminana ny tena fiainan’ny olona sy ny resaka fiarovana. Ny resaka ala iaraha-mahita fa mihena andro aman’alina ary ny fambolen-kazo isan-taona dia toy ny fitsangatsanganana no betsaka fa tsy politika toy ny hoe tsy maintsy mahavoly 50ha isaky ny kaominina, ohatra. Raha ny resaka lozam-pifamoivoizana nataon’ny mpitari-dalana ny filoham-pirenena moa dia isan’ny nandalo teny ny tena ary nahita fa tokony mba jerena ihany ity werawera sy fampisehoana diso tafahoatra an’ny manam-pahefana ity. Eo Ambatobe tsy misy hoe zavatra atahorana ka tokony andehanana mafy. Tsy andraikitry ny filoham-pirenena moa izay fa afaka mba miteny kosa angamba izy amin’ny maha filoham-pirenena satria misy tomponandraikitry ny fiarovana azy ao hoe mba jerena ihany rehefa ampovoan-tanana toy ireny. Toy izany koa ny resaka JIRAMA. Mila politika mazava fa tsy hoe indraindray misy fakana tombana na “relevé” dia tampotampoka eo tsy misy. Izao indray miverina. Inona ilay politika fa tsy hoe misy tadio kely dia miova? Vonjy tavanandro izany fa tsy politika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap