Dany Rakotoson. Hatramin’ny resaka fividianana, resaka vola, fizarana vary, fizarana menaka, amin’izao fotoana izao moa efa hitantsika indray iny filaharana iny dia mahazo karatra maha mpiandany ianao dia mahazo T Shirt sy ny toy izany, hoy izy. Resaka fanehoan-kery izany hain-drizareo. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny ho an’ny mpifaninana aminy dia hoe samy niaina ny mafy tao anaty 5 taona isika rehetra matoa misy manam-pahaizana miheritreritra hoe betsaka ny fanovana tokony atao. Hita ny lainga, ny tsy fifanajana, ny fifanenjehana, ny tsy fanajana lalàmpanorenana, fanimbana isan-karazany. Ny fifidianana foana no tena anehoana ny hery. Samy manaiky ny maro hoe misy tsy mety ilay toe-draharaha. Any amin’ny fifidianana izany no tokony hanehoana an’izay. Iaraha-mahalala nefa fa maro ny hosoka sy ahiahy tsy hihavanana tsy mety ovain’ny fitondram-panjakana. Manomboka mitarika ny artista sy avara-pianarana izao hidirana amin’izay fiovana izay. Miezaka misintona lakolosy amin’izay hitiavany azy matetika ny mpisehatra politika. Mbola sarotra ho an’ny fianakaviambe iraisampirenena ny hankato ny tranga tao amin’ny antenimieran-doholona ireny anefa. Miezaka manao amboletra mba hahatonga ny zava-misy ho ara-dalàna na “légal” ny fitondram-panjakana ankehitriny. Miandry ny sehatra iraisampirenena isika, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby