airtel

Politique

10-oct-2023

Dany Rakotoson

“Miverina mitaky fahaleovantena indray isika”

Sample post image

Niezaka foana hanao tery vay manta hahatongavana amin’ny fifidianana ny fitondram-panjakana teo aloha,

10-oct-2023

hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Iaraha-mahita nefa, hoy izy, fa tsy narahan’izy ireo an-tsakany sy an-davany ny lalàmpanorenana. Taona 2023 isika izao. 60 taona mahery no efa azo ny fahaleovantena. Ny zava-miseho anefa dia toy ny miverina any amin’ny taona 1947 isika. Miverina mitaky ilay fahaleovantena indray isika satria fantantsika fa tamin’ny volana jona fa nangataka zom-pirenena frantsay ny filoham-pirenena teo aloha. Isan’ny anton’ilay fidinana an-dalamben’ireo kandida miisa 11 sy ny mpanaradia azy ny hoe tsy mila mpitondra vazaha intsony. Lasa ohatran’ny hoe niray tsikombakomba tamin’ny frantsay izany izao ilay fitondrana niaraka tamin’ny mpitondra teo aloha dia ireo kandida miisa 11 indray no toy ny hoe tia tanindrazana andeha hiady fahaleovantena. Ny tokony ataon’ny mpitondra izany izao dia izay tsy hampisara-bazana ny malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap