airtel

Politique

09-juin-2022

Politique

Delestazy manara-penitra Nahita ny tsy fahita hatramin-dRajoelina!!!

Sample post image

Raha hitaraina sy hiantso vonjy ary haneho hahatezerana eny fa misy mahateny ratsy mihitsy aza ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mankaleo, dia raisina ho tsy fitiavana sy finiavana hitsikera ny fitondram-panjakana.

09-juin-2022

Efa tsy misy mpihaino, tsy misy mpiraharaha ka delestazy nolazain’ny minisitry ny angovo ny 18 febroary 2022 fa tsy tokony hisy intsony afaka iray volana, vao mainka mahery vaika aty amin’ny 4 volana aty aoriana. Nolazain’ny Minisitry ny angovo indray omaly, fa mbola tsy ho voaarina ao anatin’ny 3 volana ny fanadioavana ao amin’ny Jirama, tahaka ny faktioran-tsolika tsy voaloa, gafy ataon’ireo ambara fa mafia, fanadihadiana lalina na “audit” mbola mandeha,… Ingahy Andry Rajoelina Filoham-pirenena mihitsy omaly no nahita sy niaina ny fahatapan-jiro teo am-pikabariana teny amin’ny CCI Ivato. Tezitra sy sorena na mody nanao sarisarin-teny aza. “Tsy afaka ny hiresaka ao anatin’ny maizina, ka mangataka ny teknisianina mba hampiretina ny jiro, rehefa tsy misy teknisianina dia ny minisitry ny antsoiko handrehitra ny jiro. Sa ny filohan’ny repoblika mihitsy no handeha hampiakatra ny disjoncteur? Rehefa misy olana mantsy dia ny Filohan’ny Repoblika no hifatrarany,…”, hoy i Andry Rajoelina. Fifandrifian-javatra sa efa lapoasy araka ny fitenin-jatovo fa izay alehany toa misy olana ara-jiro foana. Tsy vao sambany io, fa nandritra ny lalaon’ny ekipam-pirenena ny alahady 05 jona teo teny Mahamasina ihany koa dia efa saika tsy nirehitra ireo “projecteurs”. Amin’ny fotoana tahaka ireny, mandeha haingana be ny baiko hamerenana ny jiro satria ao ny Filoha, ka mety ho azo sokajiana amin’ny hoe: “micro coupure”, ary mety misy milina mpihary herinaratra mandeha avy hatrany vao tapaka ny an’ny Jirama. Ny an’ingahy filoha 2 minitra efa mahasorena azy, fa ny manjo ny vahoaka kosa adin’ny iray, adin’ny roa, adin’ny telo, ary efa nisy adin’ny telo ambinifolo aza angamba tany aloha, efa tena tafahoatra, olana mandavan-taona na maina andro, na ririnina, na fahavaratra,… Resy lahatra aho fa ny nomerika no lalan-tokana hampandrosoana an’i Madagasikara, hoy ingahy Andry Rajoelina tany Dubaï. Tena ilaina ny nomerika fa amin’ity 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra sady tsizarizary?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap