airtel

Politique

16-juin-2021

Politique

Denis Alexandre Lahiniriko “Tsy fanova ny tantara”

Sample post image

Fotoana hijerena todika ny lasa hanomanana ny hoavy ny fankalazana ny fahaleovantena, hoy ny mpahaitantara,

16-juin-2021

 

 

Alexandre Denis Lahiniriko, naneho ny heviny manoloana ny kabarin’ny filoham-pirenena mikasika izay fankalazana izay amin’ity taona ity. Efa isaky ny renivohi-paritany foana no nankalazana azy io hatramin’izay, hoy izy. Mba tian’ny filoham-pirenena foana ny milaza hoe hanova ny tantara. Manahirana ihany ilay izy indraindray hoe inona no tena tiany hahatongavana? Fahazoana izay lafiny iray dia hoe nisy tantara teto Madagasikara, raha ohatra fahaleovantena fotsiny izao no resahantsika dia firenena vitsy na tsy nisy ady an-trano teto fa saingy nitotongana hatrany ny fiainan’ny mponina tao aminy. Nisy boky momba izany sy fandinihana nataon’ny manam-pahaizana koa moa, isany ny tenanay, nahitana hoe misy misitery mihitsy eto fa firenena manana ny maha izy azy, manankarena raha resaka harena an-kibon’ny tany fotsiny ohatra. Marina fa nisy karazana ady an-trano ihany teto ny taona 2001, ohatra, fa nitotongana foana ny harinkarena. Raha ny hanova izay zavatra izay no tian’ny filoham-pirenena tenenina mba tsy hitotongana intsony fa hiakatra dia tsy diso fa zava-dehibe aza mba ho zavatra tsara indray no ho lovain’ny taranaka. Ny somary manahirana fotsiny ao anatin’ilay fomba fiteny dia rehefa ohatra ka ilay fijery ny lasa no ovaina satria mety hisy koa izay. Zava-nisy ny lasa ka tsy azo ovaina. Tsy hoe isika amin’izao mijery ny any aoriana dia mahita hoe tsy metimety amintsika ilay izy fa ity no mety dia iny no tenenina hoe marina. Izany “bataille d’Andriba” na ady tany Andriba izany izao malaza be ary fomba fitenin’ny Malagasy ny “tsy misy mafy noho ny tao Andriba”. Ny mpahay tantara anefa rehefa nandinika dia mahafantatra fa tsy nisy ady akory tao. Vao tonga fotsiny ny frantsay dia nanapoaka tafondro ka rehefa naheno an’iny ny miaramila tamin’ny fotoan’androny dia nilefa. Tahotra ny ho tapa-doha satria nitsoaka an’ady no nitenenany rehefa tonga teto Antananarivo hoe tsy misy mafy toy ny tao Andriba. Raha izay no atao hoe manova tantara dia tsy manova fa mandiso tantara. Ny tantara tsy fanova. Ny fikarohana ireny rehefa nively dia manara-penitra, araka ilay fiteny amin’izao. Ovaina noho ny antony inona? Ny rovan’Antananarivo izao novaina hoe rovan’I Madagasikara. Rova Malagasy toy ny any Tsinjoarivo sy faritra be dia be tokoa io. Raha izay no itenenana azy mety tsy dia haninona fa raha lazaina fa rovan’i Madagasikara io dia midika hoe nitondra an’i Madagasikara izay nanjaka tao. Tsy izay anefa no tantara, hoy hatrany ny tenany.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap