Tsy misy intsony ny hoe mahafehy ny ao ambany fahefany, hoy izy. Izaho moa toy ny olon-drehetra ihany. Teny amin’ny tambazotran-tserasera no nahenoako azy. Ny mampametra-panontaniana indrindra amin’ny tompon4andraikitra amin’ireny fifandraisana an-telefaonina ireny dia hoe voafehy ve ireny eto Madagasikara satria na ny adinao amin’ny vadinao aza izany dia mety hisy hamoaka sy hanaovan’olona fandrahonana anao. Aiza ho aiza ilay zo maha olona mihitsy? Na misy na tsia ireny dia hatraiza ny fahafehezan’ireo mpandraharaha na “operateur” ny asany mikasika ny fiarovana ny zon’ny olona tsirairay? Tsy fahaiza-miasa foana no dikan’ireny. Mba mahatana ny tsiambaratelon’ny olona tsirairay ve ireo “operateur” avela miasa eto amin’ity firenena ity? Misy lalana mifehy an’izany eto amin’ity firenena ity amin’ny zo fototra ananan’ny olona tsirairay. Anahirana ny hiseho eto amin’ity firenentsika ity aoriana kely ao rehefa tsy voafehy io zavatra io, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby