airtel

Politique

08-déc-2022

Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Korontana foana rehefa tsy manam-panahy no mitondra”

Sample post image

Herintaona sy tapany izahay no nanao antso an’efitra mikasika ny resaka fitsipaham-pitokisana amin’ny maha rafitra mpanara-maso ny mpanatanteraka ny solombavambahoaka,

08-déc-2022

hoy ny filohan’ny parlemantera avy amin’ny antoko politika Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Niha ratsy, hoy izy, ny toe-draharaham-pirenena, ny toekarena, miha sahirana andro aman’alina ny vahoaka. Izahay parlemantera TIM aloha dia nanasoa izay fitsipaham-pitokisana izay avokoa izao satria ny vahoaka no jerena. Andrim-panjakana aza lasibatry ny fahatapahana karama izao ka maika moa fa mpiasam-panjakana any ambadika any? Efa sahirana daholo ny mpianatry ny ENS migrevy, ny SECES, ny Kraoma teo aloha, be dia be no tena hoe mijaly! Aty amin’ny fara-tapony hatrany amin’ny farany ambany. Tsy ny antenimieram-pirenena ihany koa fa hatramin’ny antenimieran-doholona. Fandaniana tsy maintsy atao anefa ny mahakasika ny karama. Soa fa nisy ny fahatarana nahatonga saina ny rehetra na somary tara aza satria mbola nisy firaisankina tamin-javatra tsy marina tao. Betsaka ny tsy mangarahara ato. Manao izay danin’ny kibony ny mpanatanteraka ary tsy praiminisitra irery no tomponandraikitra amin’izany fa ny filoham-pirenena koa. Soa fa tonga saina ny solombavambahoaka! Ny tanjon’ny TIM tsy toerana fa eo aloha ny tsy hisian’ny korontana aorian’ny fifidianana sy ny hihatsaran’ny fiainam-bahoaka ka hivoahany ao anatin’izao fahasahiranana lalina mahazo azy izao. Ny mpitondra milibaliba sy manao trafika tsy misy voahenjika noho ny kiantranoantrano sy ny namany na ny resaka “Ecran plat” io na “Bonbon sucette”, trafikana volamena na inona na inona. Tsy misy ny mangarahara na ny fanaovana lala-migodana na inona nefa vola aman-jato miliara no tafiditra ao. 301 miliara tamin’ny LFR 2022. Nampiana 100 miliara Ariary tamin’ny LFI 2023. Tsy misy mamaly fa mihenahena hanontaniana hoe nampiasaina tamin’inona aloha ilay 301 miliara Ariary? Ahoana indray ny mikasika ilay 200 tapitrisa Dolara? Toa tsy nandalo fankatoavana tato akory nefa dia efa notrongisina teny Talatanivolonondry? Izany no atao hoe sarety alohan’ny omby. Ohatra ratsy no nomena tamin’ny taona 2009 ary izao no mitranga rehefa tsy manam-panahy sy fahendrena no mitondra. Tsy maintsy korontana foana no iafarana, hoy hatrany ny tenany !

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap