airtel

Politique

28-mars-2024

Depiote Gerry Andriambolaina

« Malalaka hilaza ny heviny ny mpikatroka ifotony »

Sample post image

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

28-mars-2024

fa tsy midika ho nangina na manaiky ny fanendrena ilay kandida ho solombavambahoaka ao Avaradrano natolotry ny vovonana Firaisankina. "Tsy mety aminay ary lavinay hatramin'ny farany io kandida io", hoy ny mpikatroka sasany eny ifotony. Mifikitra mafy amin’ny depiote am-perin’asa ary tsy nankasitraka ny nanilihana ity farany, raha ny firesak’izy ireo. Nanaja hatrany ny fitsipiky ny antoko izy, teo foana ary nitolona ho an'ny tombontsoam-bahoaka, voky traikefa satria efa depiote nandritra ny valo taona.", hoy izy ireo. "Tenenina izahay fa kandida an'ny vovonana Firaisankina anie no resaka fa tsy kandida an'ny TIM ka tsy tokony hitabataba rehefa tsy TIM ilay olona ; marina izany kanefa ilay olon'ny TIM am-perinasa efa hita izao fa ho lany satria efa nofidian'ny olona in-droa misesy izao ary voalohany foana koa maninona no soloina, sao tsy te hahazo depiote eto Avaradrano", hoy ireto tsy faly tamin’ny nandrotsahana olona tena avy amin’ny TIM ireto. Nisafidy ny tsy hiteny betsaka kosa ny depiote Gerry Randriambolaina, izay takian'ny "base" ny haha kandidan'ny Firaisankina azy. "Malalaka ny hilaza ny heviny ny mpikatroka ifotony, ary izay rahateo ny demokrasia", hoy izy. Mbola mitohy noho izany ny adihevitra manodidina ity fisafidianana kandida ao Avaradrano ity. Mbola manantena moa ireo mpikatroka fa hisy ny fiovana rehefa mivoaka ny “mandat défintif” misy ny anaran’ny lisitra faharoa.
Nangonin’I Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap