airtel

Politique

10-juin-2022

Politique

Depiote sady artista Natakalo “spectacle” ny fivoriana

Sample post image

Efa fahazaran’ireo solombavambahoaka no mingitrika sy manao tsidi-pahitra mamonjy ny antenimieram-pirenena.

10-juin-2022

Misy ireo manana antony mazava mety tsy azo hanoharana fa maro ihany koa ireo toa minia tsy mivaky loha mihitsy ny asa sy andraikitra nankinin’ny vahoaka taminy. Matetika babangoana ny ankamaroan’ny seza etsy Tsimbazaza amin’izao fivoriana ara-potoana izay nanomboka ny 03 may lasa teo ary maharitra 60 andro. Indraindray zara raha misy depiote 20 hatramin’ny 30 no mamonjy fivoriana. Ny sasany toa tena manadino ny maha depiote azy. Tratry ny tsikera, ohatra, ny depiote sasany izay mpanakanto mandeha mikarama manao fampisehoana, raha tsy hilaza afatsy ireo mpanakanto Tsiliva izay toa feno tanteraka mihitsy programan’ny fampisehoana afak’omaly 8 jona tany Mandoto, ny mpanakanto Rossy izay mavitrika amin’ny fanaovana fampisehoana na mandeha aza ny fivorian’ny antenimiera, ny Depiote Haja voafidy tany Mananjary izay voalaza fa toa mifantoka betsaka amin’ny fampisehoana ataon’ny vadiny izay mpanakanto amin’ny maha manager azy,… Tsy finiavana hitsikera fa mba mba mampanontany tena ihany hoe : mety sy manaraka etika ve ny fihetsika tahaka izao ? Tena mifanaraka amin’ny adidy sy andraikitra nifidianan’ny vahoaka ve? Sa kosa tena tsy hay sy tsy fantatra ilay asa sy adidy amin’ny maha olom-boafidy ka hamaivanina natao handraisan-karama sy “indemnité” fotsiny? Volam-bahoaka no hanaramana olom-boafidy ary mba mankarary ny olom-pirenena ihany ny mahita ny fihetsika sy fitondran-tena asehon’ny sasany.

“ANDRY RAJOELINA NO PATRON-NAY…”
Manampy trotraka izany, mampanongo tena ny maheno ny firesaky ny depiote sasany. Lojika ny fananany ny fironana sy ny loko politika, fa hafahafa sy mahamenatra ny maheno solombavambahoaka milaza hoe: “Andry Rajoelina no patron-nay” vokatry ny fisolelahana ara-politika toa diso tafahoatra. Manala baraka ny andrim-panjakana ny tahaka izany raha olom-boafidy mandrafitra ny antenimiera no tsy mahalala na minia jamba amin’ny resaka fisaraham-pahefana hoe: ny mpanao lalàna natao hanara-maso ny mpanatanteraka. Lasa solombavam-panjakana fa tsy solombavambahoaka ka tsy atao mahagaga ny zava-misy hoe: na efa mahantra fadiranovana, sahirana amin’ny vidim-piainana midangana, tsy fandriampahalemana,… ny vahoaka, saingy azo isaina ny ratsan-tanana ny manaitra ny fitondrana fa ny ankamaroany dia hananga-tànana no tena ilàna azy.

Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap