ny lesoka goavana sy petatoko amin’ny Lalàna lasitra mifehy ny tetibolam-panjakana na ny LFI. Tsy manjary ny fandinihana LFI 2021, natao hazakazaka arahin-tosika. kitoatoa, kanefa miantoka ny aim-pirenena. Lalàna fehizoro ny LFI, ka misy fomba fifidianana azy, misy pitsopitsony. Tsy maintsy apetraka 15 andro eo anivon’ny Filohan’ny Antenimiera sy ny Birao maharitra, izay vao dinihina. Boky be telo tsy ho vita ao anatin’ny tapa-bolana na ny manao ny fandalinana, na mijery ireo sora-bola. Ny 30 oktobra no nahavitany, saingy ny 08 novambra dia efa nodinihina. Zara raha nisy herinandro, 4 andro no nandinihan’ny vaomiera azy, adin’ny roa na adin’ny roa sasany ny nandaniana azy teo amin’ny fivoriambe, ny dikany tsy nisy nandinika an’io izany, fa voabaiko, nantsoina tany Mahazoarivo, nantsoina ivelan’ny lapa,… Ny depiote TIM no tena nanaraka fivoriana sy ny asam-baomiera tamin’io, hatrany amin’ny fivoriam-be fa ny anareo solombavambahoaka tsy mahalala izay olam-bahoaka, fa solombavam-panjakana ary tsy misy mahafehy an’io afatsy ny Filoham-baomiera sy ny kaomisionina, hoy ny Depiote Hanitra Razafimantsoa.
TSY HAHAVAHA OLANA
Resaka sehoseho no betsala, ary tsy manaraka ny “orthodoxie financière” ny zavatra atao amin’izao satria izay tenin’ny Filoham-pirenena no tanterahina fa tsy izay voalaza ao anaty tetibolam-panjakana. Tsy hahavaha olana mihitsy ny tetibolam-panjakana. Nindram-bola isika, nisy fanomezana avy amin’ny mpamatsy vola ka mitentina 600 tapitrisa dolara teo ho eo. Vola natao hanampiana antsika, hiadivana amin’ny aretina, hitsinjovana ireo very asa,.... Nampiasaina tamin’ny zavatra hafa ny vola, nisy nalefa tao amin’ny Jirama satria nisy akamakama tao ka nanombinana nanomezana an’ireo, ny Jirama anefa tsy nahavaha olana. Tamin’ny LFR ny aogositra 2020, nanaovana fanintsiana tetibola, nisy vola 1043 miliara Ar nampanantenain’ny Filoham-pirenena hanaovana “Plan Marshall”, tonga ny fivoriana farany teo, ka nanontaniana ny Minisitry ny toekarena sy ny vola hoe aiza ilay Plan Marshall, saingy tsy nahavaly na kely aza, hoy ny Depiote Hanitra. Ao anaty LFR, saingy tapitra ny taona tsy hita hoe nankaiza? Kenda tanteraka ny Fanjakana, tsy misy zavatra azony atao. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe manam-bola sa tsia? Sora-bola fotsiny ve ireo ?hoy io depiote io. Ny tetibolan’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena avo roa heny amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana kanefa isika hoe miady amin’ny valanaretina. Tsy ny kianja manara-penitra ho an’ny tanora ny olana, fa raha ny firenena miady amin’ny valanaretina tahaka izao, dia ny vary hohanina sy ny fahasalamana no maika. Tsy hahavaha olana mihitsy io na rahampitso, na afakka herinandro, na afaka enim-bolana, na hindram-bola faninjatony eto aza, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa.
Toky R
Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny
Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara
Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,
Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,
Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.
Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,