airtel

Politique

08-avril-2024

Depiote Todisoa Andriamampandry

«Hoporofoina fa aty amintsika ny vahoaka, poa-droa no tanjona”

Sample post image

Tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny OVEC Ambohimanarina

08-avril-2024

Tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny OVEC Ambohimanarina ny depiote Todisoa Andriamampandry sy ny mpiray lisitra aminy nahitana an’i Dr Miharisoa, Atoa Ravolana, ary Rtoa Rabemololo ny sabotsy lasa teo. Izy 4 mianadahy ireo no hisalotra ny lokon’ny Vovonana Firaisankina, ary vao fanaterana dosie ny sabotsy teo, dia efa vahoaka sesehana no tonga nanotrona ny fanaterana dosie, naneho ny fahatokisany hatrany an’ity depiote ity. Matoa izahay tonga amin’izao indray dia noho ny fangatahan’ny vahoaka hanohy ny ezaka indray, noho ny fanendren’ny Antoko TIM sy ny Filoha mpanorina, ary ny vahoaka nanome hatrany ny fitokisana, ka vonona indray izahay ny hisalotra an’izay maha kandida izay, hoy ny depiote Todisoa. Maro, hoy izy, ny zavatra vita, ary betsaka ny ezaka izay natao, ary maro ny fiaraha-miosina tamin’ny vahoaka na an-tsaha na an-tanàna. Mahita ihany koa anefa fa betsaka ny zavatra mbola tiana harenina eto Ambohimanarina, ary tsy Ambohimanarina irery, fa ho an’i Madagasikara iray manontolo, hoy hatrany ny Depiote Todisoa Andriamampandry. Ity fifidianana ity noho izany no kihon-dàlana farany hahafahana manavotra an’i Madagasikara, ka antony hijoroan’izy 4 mianadahy hitondra ny feon’ny vahoaka, tsy hanaiky ny gaboraraka, hitondra anjara biriky amin’ny ady amin’ny fahantrana. Isika no hanarina an’i Madagasikara satria efa leo sy tofoka amin’izao fitondrana izao ny vahoaka Malagasy. Notsiahivin’ity depiote ity fa tamin’ny fifidianana depiote farany teo, dia efa nanakaiky ny poa-droa izy ireo, kely ny elanelana, ka fanamby iarahana amin’ny vahoaka izany. Hoporofoina fa aty amintsika ny vahoaka satria leo tsy firaharahiana, olana, rano tapaka, fiakaran’ny vidim-piainana, tsy fananan’asa,… hany ka lasa ny depiote izay mpanao lalàna no miditra an-tsehatra manao ny asan’ny mpanatanteraka, hoy ny fanamarihan’ny depiote Todisoa Andriamampandry. Nambarany fa mirindra tsara ny vovonana Firaisankina ao amin’ny Boriborintany faha-6 izay ahitana ny TIM, HVM, APM, Tsara Tahafina, ary ny Pro-Siteny, ka miara-mientana amin’ny fanohanana ny lisitra tarihiny. Fifaninanana masina, ka vonona hisedra an’izany, efa zatra misedra fifidianana, ary mino sy manantena fa hivoaka mpandresy. Naneho ny kolontsaina firahalahiana na « fair-play » ihany koa ny depiote Todisoa Andriamampandry, ka nankasitraka sy ny nisaotra ny depiote Max, izay solombavambahoaka niaraka taminy tao amin’ny Boriborintany faha-6, izay tsy nolanian’ny IRD ho kandida intsony. « Misaotra anao fa na dia tsy nitovy hevitra ara-politika aza isika, dia nisy ny fifanajana, nisy ny fiaraha-miasa teo amintsika sy ianao, isaorana ianao tamin’ny vitanao teto Ambohimanarina. Asehontsika amin’ny vahoaka fa ny fihavanana aloha no voalohany indrindra, ka isaorana ianao ny amin’izany, fa izahay dia hanohy ny tolona sy ny asa nankinin’ny vahoaka sy hanarina ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny Firenena », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap