airtel

Politique

07-sept-2022

Dian’ny Filoha any Ambilobe Ampandoavina omby 1 isaky kaominina, 1000Ar

mpampianatra

Sample post image

Ny zoma 09 septambra izao no ho avy an-toerana hitokana fotodrafitrasa any Ambilobe.

07-sept-2022

Manoloana izany, misy ny vaovao azo avy any an-toerana fa asaina mandoa omby iray isaky ny kaominina mba hanaovana fety handraisana ny vahiny. Tsara ny manamarika fa miisa 17 ny isan’ny kaominina ao anatin’ny distrikan’Ambilobe. Misy ihany koa ny hafatra voarain’ireo mpampianatra mba handoa 1000 Ariary isanisany. Tahaka izao ny hafatra na “SMS” voarain'ny mpampianatra (fonctionnaires sy FRAM): “Bjr!Ampatsiahivina isika Mpampianatra rehetra fa ho avy ao Ambilobe ny Président de la République miaraka amin’ireo Ministres maromaro amin’ny 09 sy 10/09/2022 ho avy io hitokana ny ESM (Etablissement Scolaire Manarapenitra) ao Matsaborilaidama, ny Tribunal sy ny Lalana RN5 ary ny Hopital any SIRAMA. Samy mandray sy mikarakara ary manotrona ny Lehibeny ny Service tsirairay araka ny message nalefan'i Chef CISCO izay nampitaiko (nataoko transfert) any amin’ireo Chefs d'Etablissements, ka manao “cotisation” 1000Ar ny mpampianatra rehetra handraisana sy hikarakarantsika ny minisitrantsika izay Lehibentsika ary talata ny farany”. Maro no tsy faly amin’io, saingy tsy afa-manoatra. Mampametra-panontaniana hoe: angaha tsy manam-bola intsony ny Fanjakana ka ny efa madinika tokony hampiana indray no volosana? Zava-dehibe ny fahavitana fotodrafitrasa, efa fanao ny fety aman-danonana handraisana vahiny manan-kaja, saingy mba tafahoatra kosa raha ny kaominina no ampandoavina omby iray avy mba ho voninahitry ny manam-pahefana ambony ao an-toerana sy ny Fanjakana foibe, ny tokony hampiana indray no itakiana.


Isan’ny zava-dehibe ny fahavitan’ny RN5A, izay mariky ny fitohizan-draharaham-panjakana. Ny fanjakana Rajaonarimampianina no angady nananana sy vy nahitana io fotodrafitrasa io, ny 16 ao aogositra 2018 no nanaovana ny fametrahana ny vato fototra fanombohan’ny asa. Ny Filoha Rajoelina kosa no hitokana azy tahaka ny “rocade ouest” izay nampitohy an’I Marais Masay sy By Pass ihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap