Tonga maro izy ireo taorian’ny antso nataon-dry Fanirisoa Ernaivo sy Marc Randrianisa dit Marco, hanehoana ampahibemaso ho hitan’izao tontolo izao ny “tsy fankasitrahana, ny tsy fankatoavana ny filatsahan’i Andry Rajoelina ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena”, indrindra indrindra “amin’ny maha vazaha azy, mandika ny lalàna velona”. Tonga tao ireo Malagasy mila ravinahira ao Frantsa sy ny manodidina toa an’I Belgique, Allemagne, Londres,... Nandray anjara ny ankolafy maro toy ny RMDM, ADM, HVM, TIM, MMM, Hafatra, GTT, TOMAD, Mihava Tour, Leader Fanilo, Citoyen Malagasy du Monde, Tsara Tahafina,… hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nampita ny vaovao ny Radio Capricorne (Paris) sy ny Radio Gasikara (Toulouse), nisy ny fanentanana nataon’ny MiaraManonja. Nanamafy ny firaisankina ny Malagasy mpila ravinahitra ary naneho ny tsy rariny sy ny fahoriana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana aty Madagasikara. Niverimberina tamin’ny teny nifandimbiasana sy ny sora-baventy nentin’ireo mpanao fihetsiketsehana ny hoe : “Leo ny lainga sy ny fitaka atao amin’ny Malagasy”. Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar manoloana ny ambaran’izy ireo fa “zava-doza ataon’ny mpitantana nanapotika” ity orinasam-pitaterana anabakabaka nasionaly ity. Fanombohan’ny fiharaha-mientana ny firaisankina tena izy ireny, hoy i Marco. Ity farany izay nanamafy fa “vonona hanohana ny mpiray tanindrazana hatramin’ny farany”. Tonga hatrany ampitan-dranomasina noho izany ny fanoherana an’I Andry Rajoelina teo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny mbola endrika amboletra hoenti-mibodo ny fahefana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby