airtel

Politique

28-avril-2021

Politique

Difotry ny zava-misy ny Fanjakana Kitsapatsapa no hitantanana firenena

Sample post image

Mandroso mihemotra! Io no fomba fiasa mampiavaka ny Fitondrana ankehitriny, izay tena difotry ny zava-misy.

28-avril-2021

 

 

 

Tsy voadinika mialoha ny fanapahan-kevitra sy zavatra atao, fa “tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo hirobohana, raha lalina hiverenana”. Tsy mijery lavitra fa manao zavatra vao mandinika. Endriky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahamatorana tsotr’izao, hany ka kitsapatsapa hatrany ny fitantanana ny firenena. Ohatra iray, ny minisitry ny toekarena sy ny vola izao no miresaka amin’ny solombavambahoaka ny 04 desambra 2020 teo am-panolorana ny volavolavolan-dalàna ny (LFI2021), fa hanafatra vaksiny isika, izay antony nampiakatra ny tatibolam-panjakana 2020. Aty amin’ny faramparan’ny desambra, dia milaza indray fa tsy hanafatra. Ny Filoha izao no mitarika ny “campagne de diabolisation” na fanaratsiana ny vaksiny, toy ny nitanisany ny lesoka tamin’ny 20 martsa 2021, ka nilazany fa ny CVO no tiany hitsaboana ny Malagasy satria izany no nahasitrana azy. Ny vavabe sy angoan-tenda nilazana fa ny mpanohitra no hotsindronina vaksiny manginy fotsiny. Aty amin’ny 03 aprily milaza indray fa vaksiny roa no maharesy lahatra, ary hafainganina ny fanafarana saingy hatramin’izao tsy hita ihany. Dila izay ny herinandro mahery nilazana fa afaka 15 andro no ho tonga ny vaksiny. Mbola toy izany ihany koa ny resaka sidina an’habakabaka, nolazaina fa efa nikatona tanteraka, mihidy ny sisin-tany, tsy mampiditra mpandeha avy any ivelany intsony mihitsy, saingy mbola misy ihany ny miditra. Tsy voafehy ny fitantanan-draharaham-panjakana fa mivaralila tanteraka?

SONGONAN’NY ZAVA-MISY

 Toe-javatra iray nafana ny fampiatoana famakafana politika tamin’ny haino aman-jery, tondroina ho mety hitarika fisavorovoroan’ny saim-bahoaka sy hanimba ny firaisam-pirenena. Rehefa miakatra ny maripana, dia mihemotra. Lasa hoenti-maneho fahatsaran-toetra indray, rehefa avy nanaonao foana. Tamin’ny volana jolay 2020, nanaovana taratasy navoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny Minisitry ny fahasalamana tamin’izany Pr Ahmad Ahmad nolazaina fa difotry ny zava-misy, tsy maharaka intsony, “depassé par les événements”,... dia avy eo izy iny nesorina iny ny aogositra 2020. Ny min serasera mpitondra tenin'ny governamanta no nanoratra tamin’izany. Ao amin’ny resaka serasera mihitsy herintaona aty aoriana no mandroso mihemotra sy difotry ny zava-misy. Koa inona moa izany no tokony atao aminy ? Tsy afaka mandinika tsara ve vao manao zavatra ?

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap