Andry Rajoelina fa karine misy QR Code miisa 1 700 000 no haparitaka atramin’ny faran’ny taona, ka tany an-toerana no nisantarana izany hatao fitaratra amin’ny tetikasa, hahazo maiamaimpoana avokoa ny isan-tokantrano, ka nilazana fa anamora ny zavatra karakaraina eny amin’ny fokontany na koa ny fisitrahana fanampiana na asa natao,… Hatramin’izay, voalaza fa efa 500 000 no naparitaka. Noresahana ihany koa ny hampitaovana solosaina io fokontany io. Nambara fa mandeha ny fametrahana “e-Fokontany” sy ny “identifiant unique” hahafantarana ny mombamomba manontolo ny olom-pirenena. Hatomboka afaka volana vitsy, isika no hanao izany voalohany aty Afrika, ary efa nahazoana famatsiam-bola 140 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Nilaza ny Filoham-pirenena fa fanovana tsikelikely an’I Madagasikara amin’ny haitao ara-kajy mirindra. Tsara moa no mampahatsiahy, fa efa tany amin’ny 8 aprily 2020 no nampanantena ny hanaovana “digitalisation” ao anatin’ny 10 andro ary hanomezana solosaina isam-pokontany. Asa firy isan-jato amin’ireo fokontany 1695 no efa nisitraka izany 3 taona mahery taty aorian’ny fampanantenana? Mandeha ny fanatobahana karine isam-pokontany fa moa tena misongadina ve ny tombotsoa avy aminy toy ny nilazana fa handrindrana ireo fanampiana samihafa satria efa hita ny lesoka tamin’ny vanim-potoanan’ny coronavirus? Mbola adihevitra hafa ny hoe: orinasan’iza no mety mahazo tombotsoa amin’ny fanontana azy ireny? Rehefa miresaka “digitalisation” ihany, sao mba ilàna fiheverana ny karapanondro biometrika izay tonga dia atao mahasolo kara-pifidianana? Ny tetikasa PRODIGY (Projet de gouvernance digitale et de gestion de l’identité Malagasy), izay misy an’io famatsiam-bola 140 tapitrisa dolara io rahateo, dia tena fanatsarana izay lafiny izay mihitsy no antom-pisiany.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny