airtel

Politique

10-août-2022

Politique

Diplaomasia Miharendrika hatrany ny Fitondrana

Sample post image

Mihasarotra hatrany ny toeran’ny Fitondrana Malagasy na ho an’ny politika anatiny na ny ivelany. Ny ato anatiny, ambony ambany, tsy misy politikam-pitantanana anatiny tsy mazava,

10-août-2022

ny fifandraisana iraisam-pirenena tsy marin-toerana. Ekena ny fisian’ny fomba firesaka ara-diplaomatika toy ny nataon’ny Vondrona Eoropeanina hoe: manga ny lanitra, eo anilan’I Madagasikara hatrany izy ireo, saingy ny ao ambadik’izay toa zavatra hafa. Ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina rahateo moa namoaka vava be tamin’ny propagandy fa tsy ilainy ireo mpampindram-bola mahazatra, fa mampahantra, hany ka toa tazonin’ny olona amin’izany, ny sonia no betsaka fa ny famatsiam-bola toa mitete, hiviny,… Ny tetikasa goavana tsy misy mpamatsy vola. Ny fanomezan-toky no betsaka, fa ny sary sy ny zava-misy dia maneho, fa tsy marin-toerana ara-pitantanana sy ara-diplaomasia ny Fanjakana. Isan’ny nanaitra tao anatin’ny tatitry ny Vondrona Eoropeanina taorian’ilay dinika politika andiany fahafolo ny hoe: “…l’Union Européenne et Madagascar doit tenir compte des contraintes du present et des incertitudes du futur », izay maneho fa tsy maintsy mijery ny olana ankehitriny sy ny ho avy mbola tsy misy antoka mazava. Toa mifanohitra tanteraka amin’ny filazan’ny Filoha fa tsy misy krizy politika eto, efa afaka miatrika ny fahatarana ara-toekarena I Madagasikara. Ny anio aza anefa tsy hay hoe ahoana, ny ampitso mbola baraingo, ny politikam-panjakana misavoamboana,… Ny tsindry amin’ny fifidianana madio sy tsy mitanila ary andraisan’ny rehetra anjara manginy fotsiny. Ara-diplaomasia hatrany, ireny niaraha-naheno ireny ny fanambaran’ny Masoivoho Frantsay ny 14 jolay teo, niantso ny Mpitondra Malagasy haneho ny fiandaniany mazava momba ny ady any Ukraine. Ny antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) niala tao anatin’ny fitondrana, nanambara mazava fa manameloka an’I Russie ary miombon-kevitra amin’ny Eoropeanina. Milaza ho mbola miara-dia amin’ny Fitondrana Rajoelina na tsy ao anaty governemanta intsony aza. Manao fitan-droa ve Fanjakana Rajoelina, ka misy ny elatra mody tsy miandany ary misy ny niandany ka izay iray avotra no manavotra izay latsaka aoriana?
Toky R

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap