Nihaona tamin’ny Filoha Amerikanina Joe Biden, Filoha Frantsay Emmanuel Macron , Filoha Tonizianina, Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Antonio Guterres, talen’ny Talen’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, Lehiben’ny Banky Iraisam-pirenena David Malpass, Filohan’ny FMI ho an’ny fampandrosoana sy ny fambolena na FIDA, Talen’ny PAM, Talen’ny ONUDI,…”, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao anatin’ny gabariny, raha nanao tombana sy nitatitra ny ambarany fa fahombiazana ara-diplaomasian’ny Fitondrana tarihiny. Noho izany, hoy izy, rehetra izany dia afaka manambara fa tsara ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, mipetraka ny fitokisan’ny mpamatsy vola. Nambarany fa ny antony dia manana vina maty paika. Inona tamin’ireo vina sy programa niova isan-taona ary betsaka no toa nitsefotra? IEM, Plan Marshall, PEM,…? Sahiny ny nilaza fa efa nitondra vokatra azo refesina sy tsapain-tànana ny mpitondra. Miova ny fomba fiasa satria ny tetikasan’ny Fanjakana Malagasy no vatsiany vola raha tsy toy izany no niseho hatrizay, hoy izy. Vita ve Tanamasoandro izay tetikasa goavana isan’ny nireharehana? Hatao eny Imeristiatosika araka ny nampanantenaina ve ny lalaon’ny Nosy? Firy metatra no vita tamin’ilay “Autoroute” Andohatapenaka-Imerintsiatosika? Nitsangana ve ny orinasa Gasycar efa hatrany amin’ny faran’ny taonna 2020 no niresahana azy? Vita ve ny “flyover” efa nanaovana makety tokony hapetraka etsy Anosizato sy Andohatapenaka? Vita ve ny “pole Urbaine” tao Fianarantsoa? Firy metatra no vita tamin’ilay “voie rapide” 10 km ao Toamasina nametrahana vato fototra hatramin’ny aprily 2019? Naverina indray fa voahosotra ho tompondakan’ny fampiroboroboana ny indostria ny Filoha. Miverina ho firenena afaka hisitraka ny MCC (Millenium Challenge Corporation) rehefa tsy nisitraka izany tao anatin’ny taona maro. Fa iza no nanongam-panjakana ka nahatapaka izany taorian’ny 2009? Nolazaina fa nisy ny ezaka teo amin’ny “bonne gouvernance” na Fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly, fahafahan’ny haino aman-jery maneho hevitra satria tsy nisy nikatona tao anatin’izay,… Tena izao endri-javatra miseho izao ve no antsoina hoe: tsara toerana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mipetraka ny fitokisana? Tena voafehy ve ny famaritana sy ny fahombiazan’ny diplaomasia? Nahoana ny firenen-kafa amina miliara dolara maro fa isika mionona amin’ny fanampiana momba ny maha olona tahaka ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) 31,9 tapitrisa dolara ?
Toky R
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina