airtel

Politique

18-août-2023

Politique

Diplaomasia sy finoana Nihaona tamin’ny Papa ny Filoha mianakavy

Sample post image

Tanteraka omaly17 ogositra 2023 tao Vatican, Roma ny fihaonana fahatelo teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Papa Ray Masina François,

18-août-2023

izay voalaza araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika fa niompana tamin’ny fifandraisana diplaomatika sy vavaka. Nisy ny fihaonana manokana teo amin'ny roa tonta tao amin'ny Fiketrahana masina. Nisongadina ny vavaka sy tso-drano nataon'ny Papa ho an'ny Filoha Andry Rajoelina manokana sy ho an'ny fianakaviany ary ny vahoaka malagasy manontolo, hoy hatrany ny tatitra. Mahatsiaro sy mitondra am-bavaka manokana an'i Madagasikara isanandro ny Papa, hoy izy. Nanao vavaka Avé Maria niaraka tamin'ny Filoha sy ny vady aman-janany ny Papa namaranana ny fihaonana, raha ny notaterin’ny Fiadidian’ny Repoblika hatrany. Teo anoloan'ny sarin'i Masina Maria, izay fanomezana avy amin'ny Fiombonamben'ny Eveka malagasy ho an'ny Papa no nanaovana ny vavaka. Noraisin'ny sekretera lefitra eo anivon'ny Fiketrahana Masina misahana ny fifandraisana amin'ny Fanjakana , Mgr Miraslow Wachowski, ny Filoha taorian'izay. Niompana tamin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa diplaomatika eo amin'i Madagasikara sy Vatican ny resaka. Eo koa ny hisian'ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta ato ho ato. Manaporofo ny fahamatoran'ny fifandraisan'ny roa tonta ny fandraisan'ny Fiangonana Katolika anjara mavitrika amin'ny sehatra fampandrosoana maro eto amin'ny firenena, ka anisan'izany fampianarana sy ny fahasalamana. Anisan'ny lohahevitra noresahina nandritra ny fihaonana koa ny fiantraikan'ny ady any Ukraine amin'ny firenena maneran-tany sy krizy maro hafa aty Afrika, hoy hatrany ny tatitra. Nangata-tsodrano amin’ny faniriany mbola ho kandida sy ho Filoha ve I Andry Rajoelina sa tahaka ny tamin’ny 2013 no hiseho 10 taona aty aoriana hoe: taorian’ny fihaonany tamin’ny Papa dia niala tsy ho Filohan’ny tetezamita izy rehefa vita ny fifidianana ka mba mety ho lasa endrika fitsidihana fanaovam-beloma ity natao ity?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap