airtel

Politique

16-févr-2022

Politique

Disadisa anatiny Nataon’ny MAPAR fanadihadiana ny Depiote Brunelle

Sample post image

Taorian’ny kiana nataon’ny Filoha, nampanantsoin’ny vondrona politika MAPAR ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa omaly. Anton’io ilay ny fanehoan-kevitra nataony manakiana ny laharampahamehan’ny fitondrana, ka isan’izany ny teleferika.

16-févr-2022

Isan’ireo voalaza fa nanatrika ny fampiantsoana azy ny Minisitry ny atitany sy fitsijaram-pahefana, Filohan’ny Antenimierandoholona, filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Governoran’Analamanga sy tomponandraikitra maromaro avy amin’ny TGV. Tsy mbola fantatra mazava ny akony tamin’ny ora nanoratana, fa raha ny efa nambaran’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD Depiote Paul Bert aloha dia nambara fa famakafakana diso toerana, ary handraisana fepetra. Tsy vao izao no niteny tsy nisorona eo anatrehan’ny fahitany sy fahatsapany zavatra tsy mety ny Depiote Brunelle, saingy tsy mahafaly ny mpomba ny fitondrana. Hahilika tsy ho IRD sy haongana tsy ho Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sa nampitandremana mba tsy hanao teny tsy dia mety loatra amin’ny antoko ? Solombavambahoaka sa solombavan’antoko ary programan’antoko no iadian-kevitra sa programam-panjakana ? Raha tsiahivina ny teniny dia tahaka izao : «Anisan’ireo teratany Malagasy tsy miombina sy mametraka fa tsy laharam-pahamehana izany teleferikan’Antananarivo izany. Ny antony dia tsotra hoe: ny distrika eran’i Madagasikara aza tsy mifandray akory, dia inona no hihazakazahana amina teleferika? Ilaina izany fa aoriana raha ohatra ka mandahatra laharam-pahamehana, ampifandraiso aloha ilay distrika satria izany izao no mahazo anay any Ikongo, tsy misy mijery tsy misy mahita satria tsy misy làlana, tsy misy làlana satria tsy namboarina…. Isika ve nahazo vola amina fiaraha-miasa amina firenena roa (bilatérale), vola trosaina dia maninona dia maninona no tazonina amina toerana iray, kanefa ilay filàn’ny firenena an’ny faritra mbola goavana sy mivelatra be. 151 tapitrisa euros tsinjaraina amin’ny distrika 119 hanokafana làlana,… Mandra-pahoviana vao tena ho tongan’ny fiara any amin’izany Midongy Atsimo, Vondrozo, Nosy Varika, Tanambao Manampotsy, Marolambo, Kandreho, Tsaratanana,…. ».
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap