airtel

Politique

02-févr-2022

Politique

Don-tandroka sy fanenjehana Vao miha manaratsy endrika ny fitondrana

Sample post image

Tsy eto Madagasikara irery ihany no maharaka ny vaovao mitranga eto fa manerantany.Nahoraka tany ivelany ny momba ny raharaha Mahery Lanto Manandafy (MLM)

02-févr-2022

 satria nanaraka akaiky izany ireo mpanao gazety solontenan’ny haino aman-jery vahiny miasa eto. Na ahoana na ahoana ambaran’ny fanjakana dia miteraka sary ratsy ho azy aloha ny toe-javatra tahaka izao ; olon-tokana ary tsy basy tsy tafondro tahaka ny ataon’ny sasany atsy Afrika i Mahery Lanto Manandafy fa noho ny fanehoan-keviny dia notanana teny amin’ny mpitandro filaminana sy natao fanadihadiana izy avy eo niatrika ny fampanoavana.Vita ny resaka hoe faniratsirana ny filoham-pirenena dia ny zandarimariam-pirenena indray no nitory azy.Izay aloha ny hatry ny omaly. Mety mihevitra angamba ireo manampahefana sasany fa hampihemotra ny olona ny zavatra tahaka ireny, dia diso hevitra ianareo hoy i Mahery Lanto Manandafy raha izay no ao an-tsainareo na tanjonareo.Ary na ny mpanara-baovao koa aza dia maro no mihevitra fa diso paika ny fanjakana tamin’ity resaka MLM ity ; efa tsy maharesy lahatra ny olona intsony ny hoe mahaleotena izany ny fitsarana raha ny eto Madagasikara,Ampiasain’ny mpitondra atao fitaovana politika handemen-tsaina, eny mety hamonjana sy hamotehana mihitsy aza ireo tsy mitovy fomba fijery aminy sy sahy manatsikafona ny tsy mety ataony ny fitsarana, hoy ny resaka ny olom-pirenena tsotra. Izay dia efa miteraka fahasosorana any anaty fiarahamonina any ary mahatonga ny olona ts miraika firy intsony amin’ny fanetanana ataon’ny fanjakana dia lasa miraviravy Tanana ny vahoaka ary miha tsy to-teny ilay fanjakana.Iny eo ihany fa ny tena ratsy amin’ity resaka ity dia mampihena ny fahatokisan’ireompiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana ny tsy fisiana fitoniana tahaka izao iainana eto Madagasikara izao ; hany ka na miaato na mitarazoka ny fahazoana fanampiana.Tena mbola mila fanampiana anefa i Madagasikara. Mety hanahirana ihany ny tohin’ny tantara raha tsy manova famindra ny mpitondra.
RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap