airtel

Politique

17-mars-2023

Politique

Doris Rakoto Samuel “Ataovy ny fampitahana !”

Sample post image

Andoharanofotsy ataontsika hoe misy vahoaka 58.000 isa, hoy ny mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera, Doris Rakoto Samuel.

17-mars-2023

Tanjombato 50.000 dia handeha hampifalifaly vahoaka hitokana EPP hono i “président” dia sakanany ve ny fifamoivoizan’ny olona miisa 110.000 eo ho eo hampifalifaly mpianatra 600 isa? Ny avy any Iavoloha mandeha tongotra Andoharanofotsy mandray “bus”. Mba lojika ve izany? Ny ahy moa izany tara ny sakafom-badiko ( TTF: Mahery Lanto Manandafy, mpampaneno lakolosy voafonja) fa handalo hono i “president” dia tapahana daholo ny lalana. Olona mpitarika sarety manosika gony saribao amin- taonina miodina any Ankadilalampotsy. Fitohanan’ny fifamoivoizana Ankaraobato tsy lazaina. Sosotra ny vahoaka mamonjy lera. Mijanona daholo ny fiainan'ny malagasy andalovany. Mba betsaka ny “président” nifandimby teto fa tsy nisy nanapaka lalana izany raha tsy efa mandalo ny kortezy. Ataovy ny fampitahana izay betsaka, ireo “même tête” manaraka lava anao ireo sa ny vahoaka sorena amin'ny fikatsohan'ny fiainany, hoy hatrany ny fanontaniana napetrany manoloana ny fanapahan-dalana nialohan’ny hizoran’ny filoham-pirenena tamin’ireo toerana voalaza tetsy ambony ireo omaly ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap