airtel

Politique

21-août-2024

Doris Rakoto Samuel

Reraka manoloana ny manjo am-badiny

Sample post image

Nitaraina ho reraka manoloana ny manjo am-badiny, raha nantsoina tamin’ny antso an-tariby omaly,

21-août-2024

ny vadin’ ilay mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera, Mahery Lanto Manandafy na Malama, Doris Rakoto Samuel. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly moa i Malama, raha ny fampitam-baovao voaray omaly tolakandro. Manoloana ny fahasahiranana samihafa niandoha tany amin’ny raharaha nampidirana am-ponja ity mpampaneno lakolosy ity hatramin’ny Janoary 2022 no ho nankaty, miampy izao aretina vokatry ny fahatapahana lalan-drà na AVC mahazo azy izao, dia nisafidy ny tsy haneho hevitra momba izany aloha i Doris Rakoto Samuel, raha ny nambarany tamin’ny antso an-tariby omaly hatrany. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ity toe-draharaha ity ahafahana mahazo ny andinindininy misimisy kokoa momba izao tohin’ny raharaha Malama izao. Raharaha maromaro no nanenjehana sy namonjana an’i Malama, raha tsiahivina fohy, isany ny mikasika ny tetezana tany amin’ny lalam-pirenena faharoa na RN2, izay nanamelohana azy 6 volana am-ponja, sazy miantona sy nasaina nandoavany lamandy 6 tapitrisa Ariary ny janoary 2022. Teo koa ny raharaha nitorian’ilay teratany frantsay, Olivier Blancard, azy satria nanaovany ampamoaka ity farany fa mpamatsy bala dahalo. Niditra am-ponja vonjimaika vokatr’izany izy ny 30 septambra 2022 ary nivoaka ny 31 desambra 2022. Nosamborina sy naverina am-ponja indray izy ny 4 janoary 2023 noho ny raharaha Dr Benesy, izay nanamelohana azy 1 taona an-trano maizina ka ny didy nivoaka ny 30 desambra 2020 no voalaza fa antony. Ny 31 janoary 2023 moa dia voaheloka higadra 3 taona sy tapany, sazy mihatra, indray izy noho ny raharaha Blancard hatrany ka izao niafara tamin’ny fahatapahany lalan-drà naha voatery azy hiditra hopitaly izao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap