airtel

Politique

23-août-2023

Dosie firotsahan-kofidiana

Mandalo fahasoratana ireo kandida

Sample post image

Manomboka androany ny fanaterana ny taratasy fahafana mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, ary mifarana amin’ny 05 septambra ho avy izao.

23-août-2023

Mahatratra hatrany amin’ny 15 ny taratasy ilaina ho an’ny kandida, ahafahana mandray anjara amin’io fifidianana io. Raha ny vaovao azo omaly anefa, dia misy ireo mitaraina, fa sarotra ny fikarakarana izany, toy ny fakana ny “certificat de nationalité” na ny fanamarinana ny zom-pirenena, tahaka izany ihany koa ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra na ny 211 bis,… Ny taratasy fandoavan-ketra izay tsar any manamarika fa amin’ny anaran’ilay kandida amin’ny maha izy azy na “personne physique” fa tsy “personne morale” satria misokatra ny adihevitra samihafa eny amin’ny tambajotran-tserasera, misy fitanisana orinasa sy ny maro hafa, ka soritana kely fotsiny izay mba ho fampahafanantarana ny olom-pirenena. Misy ny taratasy iay asaina hanamarinana samihafa tahaka ny eny anivon’ny Prefektiora ihany koa. Misy aza ny toerana sasany tena tsy hita ny tompon’andraikitra tahaka ny teny Antananarivo Atsimondrano raha ny fanamarihana azo omaly. Marina fa matoa mirotsaka ny kandida dia efa tokony niomana hatry ny ela, kanefa tokony hisy ihany koa ny fanafainganana sy fanamorana ny fikarakarana dosie satria misy hatrany amin’ny roa andro na mihoatra lavitra. Tokony hisy hatrany ihany koa ny fiandrasan-draharaha fa tsy hifampitadiavana hatrany ny tompon’andraikitra samihafa eny amin’ireo toerana hikarakarana ny antontan-taratasin’ny kandida.
Toky R
Légende: Isan’ny dosie takiana amin’ny filatsahan-kofidiana ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap