airtel

Politique

05-oct-2021

Politique

Doudou sy ny vovonana N3PC “Mivoatra any amin’ny tsy izy ny raharaham-pirenena”

Sample post image

Mivoatra any amin’ny lafiny tsy izy na miiba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, hoy ny mpitarika ny vovonana Dinika ho fanavotam-pirenena teo aloha na DFP, Tolojanahary Maharavo na Doudou,

05-oct-2021

 nilaza ny antony hitenenany indray ankehitriny. Hitsangana noho izany ny vovonana politika vaovao izay tarihiny ho famahana izany na ny N3PC izay alavaina amin’ny “Nouvelle Plateforme politique pour continuité”. Nisafidy hiara-kiasa tamina antoko politika vitsivitsy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hoy izy, taorian’ny naha lany azy. Namorona ilay IRD ry zareo. Izay no heveriny fa mety. Natao ny fifidianana depiote sy kaominaly. Hita ny voka-dratsiny. Tsy niteny ny olona. Ankehitriny, ireo IRD nofidian’i prezida hiara-kiasa aminy ireo mivadika aminy. Manao mpamosavy malemy ao anatin’io vovonana politika io. Ao ny mitrandraka anatiny ao fotsiny. Ao ny finaratsy anatiny ao. Fantatra fa ireo no mpanao tsikombakomba na “magouille” eto amin’ity firenena ity. Ireo olona ao anatin’ny IRD ireo ihany no nametraka an’I Andry Rajaonarimampianina teo. Ireo no nanapotika azy. Io no niaraka tamin’I Zafy Albert, Ratsiraka, Ravalomanana. Karazan’olona ohatran’ireo no mametraka fitondrana dia rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoany dia mamotika fitondrana. Amin’izao fotoana izao dia ireo no manao mpamosavy malemy manaratsy endrika ny filoha Rajoelina. Tsy eto Antananarivo ihany fa any amin’ny faritra rehetra any. Noho ny ataon’ny mpikamban’ny governemanta sy parlemanta izay anatin’ireo no manimba ny endriky ny filoha Rajoelina eo imason’ny vahoaka malagasy. Velom-bolo ny vahoaka nahita ny filoha niroso tamin’ny fanovana sy fanadiovana ny governemanta. Mandeha anefa ny fandrahonana ataon’ireo olona ireo. Misy tsy mety hiala. Misy mandrahona hoe aonganay ianao. Izay no mahatonga anay hoe “non” tsy rariny intsony kosa fa hitan’ny olona ny “magouille” nataonareo hatramin’izay. Tsy niteny ny olona noho ny fanajana ny filoham-pirenena. Ankehitriny izahay nitsangana namorona ity N3PC ity. Tsy ekena ny fanimbana ny ezaka efa vita izay misy mendri-piderana. Rehefa tapa-kevitra ianao handio anio dia manaiky izahay. Izahay tao amin’ny DFP dia efa nivoy ny tsy fanekena ny tsimatimanota ho fanatsarana ny fomba fitondrana. Raha izay no atao dia hoy izahay hoe aleo ovaina ny fanoizana azy na “continuité” fa raha hifanonganongana eto foana tsy hisy raharaha vanona eto. Izay no mahatonga anay miteny hoe alefaso prezida! Ho hitantsika eo izany olona hanohitra anao izany, indrindra, ireo mpiara-miasa aminao ireo. Ianareo ao anaty IRD izay ho esorina io aza manao mpamosavy malemy far aha sahy dia milaza ampahibemaso hoe hifaninana amin’i Prezida izahay amin’ny fifidianana manaraka, hoy hatrany i Doudou.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap