airtel

Politique

06-juil-2022

Politique

Dr Jean Louis Rakotoamboa “Manao izay danin’ny kibony eto ny mafia”

Sample post image

Ny tena izy amin’ny demokrasia, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Dr Jean Louis Rakotoamboa, raha tsy eo amin’ny fitondrana ianao dia midina any amin’ny faritany mitily ny olana any.

06-juil-2022

Mijery hoe inona no vahaolana, hoy izy? Iza no ekipa hiaraka dia manao izay praograma izay? Rehefa tonga ny fifidianana dia amin’izay fotoana izay efa vonona tsara ianao. Lany ianao tonga dia afaka miasa. Tsy tokony sakantsakanana amin’izany mihitsy ny mpanao politika na iza izy na iza fa adidy masina eto amin’ny firenena ny fanaovana izany? Tsy herintaona alohan’ny hialanao vao manao fikaonandoham-pirenena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izany no fomba fanaovana politika eto amintsika. Tsy mahagaga raha milentika ny firenena. Talohan’ny hitondra ianao nandrevirevy tany Miami sy tany ivelany tany dia tonga eto vao manao atrikasa sy fikaonandoha. Tokony taloha no nanaovanao an’ireny fa tsy nilingilingy tany ivelany tany dia tonga eto vao mamorona atsanga tsy aman’orana tsy azo tanterahana akory. Ilay “Initiative pour l’émergence de Madagascar” rehefa jerentsika amin’ny saina tsy miangatra hatreto dia “Initiative pour l’émergence des mafieux’’. Jereo ny asana mafia na ao anaty fitondrana na aty ivelany. Miharihary ny fitondrana mafia. Ny vahoaka mijaly. Hitantsika ireny raharaha “Ecran plat” ireny. Ireny kolikoly nataon’ny minisitry ny fitsarana ireny. Ireny volamena lasa an-tsokosoko ireny. Ireny volamena nalaina tao amin’ny minisitera ireny. Io ny Airmad nopotehina dia nalaina lasa natao Airlines. Endriky ny mafia ireny rehetra ireny ary ny zava-doza amin’ilay izy dia ilay rafitra mihitsy no mamela ny mpitondra ho tsy maty manota. Ireo mpitondra ambony manao ireny adalana ireny dia mandalo afo fandiovana antsoina hoe antenimieram-pirenena ny dosieny vao hoe azo gadraina na azo tsaraina na tsia. Anaran-tsivery fotsiny ilay hoe HCJ na “Haute cour de justice”. Tsy misy na inona na inona tsarainy fa manao izay danin’ny kibony ireo mafia ary mbola hanohy izany. Hiakatra izao ny vidim-piainana ary mbola hiakatra ny vidin-tsolika. Izahay tsy mino fa io fitondrana io no hahavaha izany olana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap