sady mpitarika ny fikambanana Mpiavana na Mpiasa vanona ho fampandrosoana, Dr Jules Randriamaholison. Raha ny zava-misy eto Madagasikara, hoy izy, dia ny mpiasa rehetra manerana an’i Madagasikara mihitsy no tokony hitokona. An’aliny ny dosien’ny mpiasam-panjakana anivon’io primatiora io izay mikatso ao fa tsy avoakan’ny praiminisitra. 2 taona izao, ohatra, no tsy navoaka ny lalàna mikasika ny satan’ny mpiasam-panjakana. Tafiditra koa ny resaka fampidirana mpiasa, fanamboarana mari-karama, fampidirana ho mpiasa raikitra sy ny maro hafa. Rehefa mivoaka misy ny sonian’ny praiminisitra nefa ireo dosie ireto dia misy hitantanana ny hoavin’ireo mpiasa. Rehefa miakatra ny gradiny dia miakatra ny karamany. Tsy rariny ny fanitsakitsahan’ny praiminisitra ny zon’ireo mpiasa. Toy ny fanambaran’ny mpanao politika ny heriny dia tokony atambatry ny mpiasa koa ny heriny satria hatramin’izao dia natao an-kilabao foana ny mpiasa fa izay tonga eo amin’ny fitondrana tsy nisy niraharaha mpiasa malagasy mihitsy. Tandindonin-doza mihitsy izao ny mpiasa malagasy satria raha mbola mitohy izao toe-draharaha politika eto izao dia ho avy indray ny krizy amin’ity fifidianana ity. Lasibatra voalohany amin’izany ny mpiasa malagasy satria ny manana asa ho very asa. Ny tsy manana vao mainka tsy hanana. Tokony jerena izay hisorohana krizy. Ahemotra ity fifidianana izay tsy tomombana ity ny fikarakarana azy. Na ny fanendrena izay tokony handimby ny filoham-pirenena araka ny lalàna aza efa olana be satria olona tsy tokony handray izany fahefana izany no nomena azy. Ny filohan’ny antenimieran-doholona, raha ny lalàmpanorenana no tokony handray io fahefana io. Nefa hoe nisy izay taratasy izay. Tsy tokony hijery izany taratasy izany ny HCC fa tokony hanao izay lazain’ny lalàmpanorenana. Tokony hiray hina ny mpiasa malagasy tsy an-kanavaka. Fotoana izao! Tena kihon-dalana tokoa hametrahana fanovana ifotony satria na ny lafiny sosialy na toekarena samy tsy mandeha. Governemanta vaovao tsy miandany no tokony apetraka hanatanteraka izay tapaka rehetra eo anivon’ny fikaonan-doham-pirenena tarihin’ny FFKM sy ambany tan-tsoroky ny foloalindahy. Vao mainka hihamafy ny hanjo ny mpiasam-panjakana amin’izao praiminisitra lasa filoham-pirenena mpisolo toerana izao. Olon’ny OIT izy nefa dia mahagaga hoe izao no hanaovany ny mpiasa malagasy nefa fantany tsara ny lalàna mifehy ny asa. Maninona moa raha hatsangana ny Komity iombonan’ny mpiasa na KIM toy ny tamin’ny 1972 dia mba hametraka ny mpiasa amin’ny toerany izay lasibatra foana amin’izay, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Légende: Dr Jules Randriamaholison
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny