Hampandroso antsika na EMA ny taona 2013 sy 2018, hoy ny mpitarika azy, Dr Roseline Emma Rasolovoahangy. Nitety an’i Madagasikara manontolo izahay tamin’izany ka hatramin’izao. Nahita maso ny zava-misy izahay fa tsy nitantarana. 2014 tany izahay, noho izany, no efa nanao tetikasa isan-karazany satria tapa-kevitra fa tsy tokony hiandry intsony ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mihoatra ny 40 isa ny tetikasa efa ataonay manerana ny nosy amin’ny lafiny isan-karazany miantefa amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy tanteraka. Raha ireo tetikasanay ireo no navelan’ny fitondrana ho tohizana hatramin’ny farany dia efa tsy toy izao intsony ny vahoaka malagasy. Efa tena mijaly ny vahoaka! Hiezaka hampandany izay kandida afaka hanatanteraka ireo tetikasanay izahay. Tetikasa izay mifantoka amin’ny angovo toy ny herinaratra, ny fanabeazana, ny famoronana asa, fampidinana vidim-piainana, izay tena maika daholo izany izao. Efa maro anefa raha ny nambarany ny dingana natao hatrany Washington DC, ny fifampiresahana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena, nisy mpiara-miombon’antoka samihafa efa tonga teto Madagasikara, nisy famatsiam-bola sy fampiasam-bola amina miliara dolara tahaka ny tontolo an-dranomasina amin’ny alalan’ny fanatsarana sy fanajariana ny harena an-dranomasina, teo ny tetikasa goavana momba ny tontolon’ny fampianarana kanefa misy tompon’andraikitra ara-panjakana misakana an-kolaka. Isan’ny endrika nisehoan’izany ny tsy fanomezan-dàlana sy tsy fanasoniavana ny taratasy samihafa momba ny tetikasa goavana hanasoavana ny Malagasy sy Madagasikara, hoy Rtoa Roseline Ema Rasolovoahangy izay manam-pahaizana manokana momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny tontolon’ny solika. Ho avy, hoy izy, ny fotoana hanolorana io kandida ho tohananay io, izay heverin’izy ireo fa afaka ny hiara-hanatontosa ihany koa ny vinany. Raha nanontaniana momba ny hoe: nahoana no nisafidy ny hanohana kandida kanefa teo aloha tena nirotsaka moa, dia nahitzy Rtoa Ema Roseline Rasolovoahangy nilaza fa tena sarotra be ny odidina na “contexte” politika eto Madagasikara ka aleo manohana amin’izay mba tsy ho lany lera.
J. Mirija/Toky R
Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.
Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.
Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny
Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,
Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara
Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana