airtel

Politique

08-févr-2023

Politique

Durlin Retogniane “Ahiana ny hiverenan’ny 7 febroary 2009”

Sample post image

Tokony hakan’ireo mpitondra lesona sy ireo haka fahefana eto amin’ny firenena ireny 7 febroary 2009 ireny, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

08-févr-2023

Matoa, hoy izy, nitranga ireny dia nisy fampanantenan’ny mpitondra tamin’izany ho an’ny vahoaka tsy voavaly an-tsakany sy an-davany tao. Fidinana an-dalambe nakana lapam-panjakana hatreny Ambohitsirohitra no niafarany. Niteraka savorovoro maro teto amin’ny firenena izay tsy nahasoa ny vahoaka izany. Hiatrika fifidianana isika izao ka ahoana no ahafahan’ny mpitondra ankehitriny maka lesona amin’izay zava-nisy teo aloha izay? Nitaky fanovana izao fitondrana izao tamin’ny fotoan’androny kanefa ankehitriny dia mikaikaika ny vahoaka amin’ny lafiny ara-tsosialy sy toekarena, indrindra, fotodrafitrasa toy ny lalana ka sao sanatria halaim-panahy ny vahoaka malagasy raha misy mpitarika toy ireny hetsika Lera ireny ka hivadika zavatra hafa izany. Olona efa nisehatra ela tanaty politika daholo no ao ka ataoko fa mahalala ny tokony ataony manoloana ny tsy fanajana lalampanorenana miverimberina na trafika toy ny volamena sy harem-pirenena maro eto. Ny depioten’I Toamasina I, Roland Ratsiraka, izao vao tsy ela no niteny hoe misy olona manondrana an-tsokosoko lavanilina amin’ny vidiny mihoatra lavitra amin’ny apetraky ny fanjakana. Tsy mety amin’ny filan’ny vahoaka izany ka azo sorohina. Ahiana ny hiverenan’ireny 7 febroary ireny raha tsy mitandrina izao fitondrana izao nefa iza moa no hahazo tombontsoa amin’izany? Tsy misy, hoy hatrany ny tenany, fa ny vahoaka indray no ho latsaka an-katerena ka tsy misy maniry ny hiverenan’izany ary antony hampirisihina ny fitondram-panjakana izany hoe karakarao araka ny tokony ho izy ilay fifidianana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap