airtel

Politique

09-févr-2023

Politique

Durlin Retogniane “Ahiana ny hiverenan’ny 7 febroary 2009”

Sample post image

Tokony hakan’ireo mpitondra lesona sy ireo haka fahefana eto amin’ny firenena ireny 7 febroary 2009 ireny, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

09-févr-2023

Matoa, hoy izy, nitranga ireny dia nisy fampanantenan’ny mpitondra tamin’izany ho an’ny vahoaka tsy voavaly an-tsakany sy an-davany tao. Fidinana an-dalambe nakana lapam-panjakana hatreny Ambohitsirohitra no niafarany. Niteraka savorovoro maro teto amin’ny firenena izay tsy nahasoa ny vahoaka izany. Hiatrika fifidianana isika izao ka ahoana no ahafahan’ny mpitondra ankehitriny maka lesona amin’izay zava-nisy teo aloha izay? Nitaky fanovana izao fitondrana izao tamin’ny fotoan’androny kanefa ankehitriny dia mikaikaika ny vahoaka amin’ny lafiny ara-tsosialy sy toekarena, indrindra, fotodrafitrasa toy ny lalana ka sao sanatria halaim-panahy ny vahoaka malagasy raha misy mpitarika toy ireny hetsika Lera ireny ka hivadika zavatra hafa izany. Olona efa nisehatra ela tanaty politika daholo no ao ka ataoko fa mahalala ny tokony ataony manoloana ny tsy fanajana lalampanorenana miverimberina na trafika toy ny volamena sy harem-pirenena maro eto. Ny depioten’I Toamasina I, Rolland Ratsiraka, izao vao tsy ela no niteny hoe misy olona manondrana an-tsokosoko lavanilina amin’ny vidiny mihoatra lavitra amin’ny apetraky ny fanjakana. Tsy mety amin’ny filan’ny vahoaka izany ka azo sorohina. Ahiana ny hiverenan’ireny 7 febroary ireny raha tsy mitandrina izao fitondrana izao nefa iza moa no hahazo tombontsoa amin’izany? Tsy misy, hoy hatrany ny tenany, fa ny vahoaka indray no ho latsaka an-katerena ka tsy misy maniry ny hiverenan’izany ary antony hampirisihina ny fitondram-panjakana izany hoe karakarao araka ny tokony ho izy ilay fifidianana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap