airtel

Politique

29-juin-2022

Politique

Durlin Retogniane “Hita taratra amin’ny sehatra rehetra ny tsy fisian’ny fitondrana ”

Sample post image

Ny maha mpitondra ny mpitondra iray dia ny fitadiavany hatrany vahaolana mikasika ny olana mianjady amina firenena iray, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

29-juin-2022

Voaresaka ny hoe nanjavona ny volamena, nanjavona ny solika, tsy hita ny jiro, efa sasatra ny rano. Tafiditra anaty tontolo politika iainantsika ankehitriny izany, hoy izy. Misy ny dikan’izany ny antsoina hoe “absence de l’Etat” na tsy fisiana mpitondra. Resahan’ny filoham-pirenena foana ny hoe “présence de l’Etat” na fisian’ny mpitondra nefa hita ankehitriny fa ny mifanohitra amin’izay no misy. Mazava ny tsy fisian’ny atao hoe fanjakana sy mpitondra. Tsy azo heritreretina mihitsy izany hoe anatina biraona minisitra iray no manjavona ny volamena 36 kilao. Eto an-drenivohitr’I Madagasikara ary anatina andrim-panjakana iray isika no miresaka an’izany. Anjaran’ny fanjakana koa ny mijery akaiky ny vidin-tsolika. Misy ny atao hoe “droit de regard” na fanaraha-maso tokony ataony eny amin’ireo tobin-dasantsy mahazatra. Aiza ny fanjakana satria raha vinaniana hiakatra 9000 ariary ny litatry ny lasantsy ary 6000 ny solika dia tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany? Hiakatra ny saram-pitaterana nefa ireny no mamatsy entana manerana an’I Madagasikara. Mbola azo itarafana ny tsy fisian’ny fanjakana na mpitondra koa ny tsy fivahan’ny olana amin’ny resaka herinaratra. Nezahana natao nidangana izao ny famatsiam-bola raha ny tetibola nasiam-panitsiana na LFR farany teo. 500 miliara ariary no homena ny JIRAMA dia ho hitantsika eo moa ny tohiny. Vola toko tsy forohana izany ary hiala amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Raha anaty fianakaviana iray izany izao no misy olona miisa 4 mianatra sy miasa atsy ho atsy dia efa 8000 ariary izany no alohan’ny fianakaviana iray mandroso sy miverina. Ny olona manana moto na fiara izany ho sahirana amin’ny vidin-tsolika ary raha hampiasa taxibe koa dia ho sahirana amin’ny saran-dalana ka ahoana izany no hamahan’ny fitondrana izany olana rehetra izany satria dia efa amin’ny sehatra rehetra mihitsy no ahitana taratra ny tsy fisian’ny fitondrana, hoy hatrany i Durlin Retogniane ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap