airtel

Politique

22-févr-2023

Politique

Durlin Retogniane “Niova paikady ny fitondrana”

Sample post image

Tsy dia nanome endrika vaovao amin’ny antsoina hoe tontolo politika eto Madagasikara ny fanovana governemanta, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

22-févr-2023

Niova stratejia ny fitondrana raha ny fahitako azy, hoy izy, satria raha hijery fotsiny isika izao mikasika ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia novaina. Ny minisitry ny raharaham-bahiny dia novaina vehivavy nisolotena an’I Madagasikara teo anivon’ny UNESCO. Nanakaiky an’I Rosia isika teo tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Mivadika aty amin’ny tandrefana indray izany izao. Akaiky ny fifidianana ka mpamatsy vola izany voalohany ny vondrona eoropeanina, amin’ny alalan’ny “Basket fund”. Mbola tsy ahitana taratra izany vola izany nefa ao izao. Mety mbola betsaka koa ny fitaovana ilain’ny CENI nefa mbola tsy ao. Ny CENI anefa efa nanome datim-pifidianana. Mampametra-panontaniana koa anefa ny antony nanoloana ny minisitry ny asa vaventy satria nilaza ny filoham-pirenena fa hajanona daholo ny fotodrafitrasa. Eo ny filana fanamboarana ireo lalana izay tena potika amin’izao fotoana izao sy ireo tetezana tapaka. Ay ve manan-danja amin’ny fitondrana ihany ilay fanamboarana fotodrafitr’asa na dia nilokaloka aza izy fa hifantoka bebe kokoa amin’ny sosialy, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap