airtel

Politique

15-févr-2024

Durlin Retogniane

«Tsy manana olona eny anivon’ny kaominina ve ny fitondrana?»

Sample post image

Ataoko hoe Firaisankinan’ireo kandida amin’ny endriny vaovao no filaza azy,

15-févr-2024

hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane, mantsy ireo mpikamban’ny Kolektifa an’ny malagasy vao nanao fanambarana ny talata teo. Nisy endrika tsy tazana tsinona, hoy izy, na dia niova aza ny anarana. Niarahantsika nahita fa teboka mahakasika ny lalàm-pifidianana no nasian-drizareo tsindrim-peo manokana satria hiatrika fifidianana isika ny volana may izao dia ny solombavambahoaka ary any amin’ny volana novambra ny kaominaly. Heverina fa fampitandremana ho an’ny fitondram-panjakana iny satria raha ny fomba fiadin’ny fitondram-panjakana nanoloana ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena no mbola entiny hikarakara ny fifidianana manaraka hoavy eo dia mampanahy ihany izany satria mpilatsaka ho fidiana maromaro eny anivon’ny distrika sy kaominina izany no handray anjara amin’ity indray mitoraka ity. Mety ho izay izany no hanentanan’ireo kolektifa ny vahoaka malagasy izay tompon’ny fahefana farany mahakasika ilay fitakian-drizareo ho fanatsarana ilay dingana arahana amin’ny fifidianana. Mampametra-panontaniana na izany na tsy izany ny antony tsy nahitana ireo endrika hafa teny amin’ny Le Louvre Antaninarenina. Midika ve izany fa vonona ireo kandida tao amin’ny C 11 hiatrika fifidianana? Mikasika izay fifidianana izay ihany dia maninona ny fifidianana ireo olona efa lany fotoam-piasana indray no atao ao aoriana? Ny solombavambahoaka nefa mbola amin’ny 2 jolay vao lany fotoam-piasana? Tsy manana olona eny anivon’ny kaominina ve izany ny fitondrana ankehitriny? 151 no isan’ny solombavambahoaka eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Moramora ho an’ny fitondrana izany ny mitady an’ireo noho ny mitady ireo ho atao ben’ny tanàna. Antony faharoa ny tsy fahitan’ny fitondram-panjakana izay ho apetraka ho PDS satria izay no notapahana tamin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny solombavambahoaka izay naharitra 2 andro teo. Lalàna 2014-020 angamba izy izay. Mety ho sarotra amin’ny fitondrana ny hahita ilay olona azo itokiana hanatanteraka ny vina sy ho baikoana satria adihevitra teo ny hoe tokony ho mpiasam-panjakana na tsia. Izay izany amin’ny ankapobeny no fahitanay ny mety ho antony nanemorana ilay fifidianana ben’ny tanàna. Izay ihany koa amin’ny ankapobeny ny fahitanay ny raharaham-pirenena izay hita ho misy kajikajy politika hatrany. Mavesatra be izany hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!» izany ary andry maromaro fa tsy miisa 3, araka ny ambaran’ny fitondram-panjakana ihany, no heverina ho fototra ahafahana manatontosa izany. Eo ny fanabeazana izay tena andry iankinan’ny fampandrosoam-pirenena na eny ifotony io na aty amin’ny rafi-panjakana maro samihafa. Hita amin’ny votoatin’ny zavatra omena eny amin’ny fanabeazana fototra hatreny amin’ny anjerimanontolo io. Eo koa ny fampiroboroboana ny fotodrafitr’olona izay mampandroso ny sinoa nefa dia atahoran’ny fitondrana malagasy hiteraka ny antsoina hoe «Boom démographique» na fitobahan’ny mponina ankehitriny. Nigeria nefa izao miisa 230 tapitrisa eo ny isan’ny mponina ao aminy saingy hainy ny mamadika izany ho fampandrosoana. Ny fizahantany amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ireo harena voajanahantsika koa dia isan’ny mety hampiakatra ny lanjan’ny Ariary, hoy hatrany i Durlin Retogniane.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap