airtel

Politique

12-janv-2024

Efa ataon’ny olona resaka

Tsy fahaiza-mitantana no mampikoroso fahana an’i Madagasikara

Sample post image

Mampalahelo fa ataon’ny any andafy fanalan’andro ny mpitondra eto Madagasikara… « Amateur »

12-janv-2024

hoy izy ireo ; azo adika tsotra hoe miana-draharaha, tsy mbola matotra, tsy matihanina. Ny fampanantenana sy ny nofinofy mipoapoaka, kanefa rehefa tena jerena ny asa, maivana be . Ny 80,7% n’ny Malagasy no mahantra, ny 51% n’ny Malagasy no sokajiana ho tsy isakafo araka ny tokony ho izy raha toa ka iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny 12% n’ny mponina. Anatin’ny sehatra tsy manara-dalana ny 80% n’ny asa eto.Ampy hamintinana ny fahantrana izay vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena ireo.
TSY FAMPANANTENANA NO ILAINA FA ASA
Dia mbola fampanantenana ihany no asesiky ny mpitondra amin’izao fotoana fa tsy misy fandaharan’asa sy paikadim-pampandrosoana afaka refesina sy misy tetiandro mazava ihany.Tsy fanampiana amina resaka vonjy ranovaky mihitsy no hampisondrotra ny fahefa-mividin’ny Malagasy fa fampitomboana ny asa sy ny famokarana. Firenena manana tany tena mbola midadasika i Maagasikara kanefa dia manafatra vary, izay foto-tsakafon’ny mponina ao aminy ; ary ny tena loza dia tadiavin’ny sasany aparitaka eto ny vary efa simba, inona fa tsy tena fanimbazimbana ny hasin’ilay Malagasy mihitsy izany. Tsy hita mihitsy izay antony , ohatra tsy hametrahan’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fambolena tanjona mazava hoe : ampitomboina 2 avo heny ny voka-bary manerana ny nosy ato anatin’ny 2 taona manaraka, dia ampifanarahana amin’izay ny ezaka atao rehetra.Mbola azo itarina anya mina seha-pambolena hafa io, any amin’ny fiompiana ihany koa.
TSY MAINTSY MAMOKATRA ALOHA
Fa raha mbola hanafatra sy hividy entana avy any ivelany aloha no atao maha maika sy dodona satria mety misy akamakama mahazo tombony amin’ny fanafarana entana sy fitsinjarana izany eto dia ho faty noana no sady bokan-trosa eto Ramalagasy. Raha mpitondra tena mahay mitantana sy miasa saina amin’izay hahasoa ny vahoakany dia milofo amin’io resaka fambolena, fiompiana, famokarana sy fanodinana ny vokatra io. Manaraka ny sisa avy eo satria vahoaka noana izany tsy afaka ny hamokatra. Raha io no voalamina , ho mora kokoa ny hanatsara ny isan-tsehatra. Fa ny fanontaniana dia ny hoe : manana fahaizana amam-pahalalana hanatanteraka izany ve ny mpitondra amin’izao fotoana ? Manana fahavononana ara-politika hikaroka marina ny mahasoa ny Malagasy ve sa lany andro amin’ny fanandratan-tena sy faminganana ny hafa fotsiny.
RTT
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap