airtel

Politique

19-juil-2021

Politique

Efa IRD ny rafitra rehetra Tsy afa-miala bala sy manilika intsony

Sample post image

Tsy afaka miala bala intsony, tsy afaka manilika intsony amin’ny hafa ny Fitondram-panjakana Rajoelina. IRD daholo miainga any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, governora, depiote, loholona, governemanta, HCC,…

19-juil-2021

 Fa inona ihany no mbola tsy mampandeha haingana be ilay lamasinina araka ny nampanantenaina hatramin’izay? Tsy afaka ny hanilika any amin’ny resaka valanaretina coronavirus satria efa tao anatin’ny valanaretina aza ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina no mbola nampanantena velirano tsy tambo isaina. Ny tany alohan’izany no nilazany izy tenany tsy noterena tsy novozonina fa tsy handroso ny firenena na amin’ny 2030 na 2060 aza fa tsy handroso mandrakizay I Madagasikara raha hiantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Nolazaina fa isika mihitsy aza no hampindram-bola an’i Kaomoro. Tsy tokony hisy sakana intsony ny fanatanterahana an’izany, ka nahoana no mihisatra ilay masinina haingam-pandeha? Moa mbola tsy ampy ny fahefana eo am-pelantanana? Ny mpanohitra no lazaina fa manakorontana sy manembatsembana ny fampandrosoana. Ny tsy fahaizan’ny mpanohitra ve no mampitotongana ny harin-karena faobe any amin’ny -4%? Ny mpanohitra ve no mampiakatra ny vidin’ny menaka ho 8000-10 000Ar? Ny mpanohitra ve no tsy hisian’ny vola hanaovana tanàmasoandro sy téléphérique ary angaha tsy hoe isika indray no hampindrana an’i Kaomoro? Moa mpanohitra ireo any amin’ny sehatra samihafa manao fitakiana? Ny mpanohitra ve no tsy mahaloa karama? Tsy misy maha Fanjakana ny Fanjakana intsony raha hanaiky ho voahozongozon’ny mpanohitra sy tsy afaka hanao ny programan’asany. Tsaratsara kokoa ny manaja tena miala raha hiala bala amin’izany hatrany. Ny zavatra hita eto, tsy misy sori-dàlana mazava hoenti-mamaha ny olan’ny firenena. Efa tamin’ny 2018 ny propagandy, nahazoana 90 hatramin’ny 100% na maherin’izay aza ny tany Atsimo. Efa nisy ny velirano natao ny aogositra 2020 fa mbola miverina manao dinik’asa indray ny 2021 ary haverina tanisaina ny efa nambara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap