hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, dia ny hampiakarana ny karaman’ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Misy tarehimarika be dia be moa mandeha hoe 5 hatramin’ny 25% no an’ny mpiasam-panjakana. Miodidina eo amin’ny 9,9% ny an’ny tsy miankina. Raha oharina amin’ny vidim-piainana ankehitriny dia na ho akarina 200% aza io tsy hamaha olana loatra. Ny sandam-bolantsika na ny volantsika tsy misy lanjany no tena olana. Ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy no vahaolana maika tokony ataon’ny mpitondra fanjakana. Tsy an’asa ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Ny vahaolana tsara indrindra ho an’ireo vahoaka tsy an’asa ireo ve tsy aleo aloha ny mitady fomba rehetra ahafahana mamorona asa ho an’ireo? Fanapahan-kevitra mamono ny toekarena na “mesure anti-économique” no fahitanay ny raisin’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy hanao afa-tsy hampidangana ny vidim-piainana io. Nisy vola azo indray koa tamin’ireo mpamatsy vola mahazatra nandritry ny dian’ny filoham-pirenena tany Etazonia. Trosa ho baben’ny firenena indray moa izany iny, raha ny marimarina kokoa. Raha izay tonom-bola efa azon’I Madagasikara izay no hahafahana mampandroso ny firenena dia tokony efa ho lasa lavitra isika. Be dia be ny famatsiam-bola efa teto ary ny farany indrindra izao dia ny tamin’ny COVID 19 izay efa ho 1 miliara dolara latsaka kely. Naha be resaka ny fitantanana ireny rehetra ireny. Tsy mampandroso afa-tsy ny toekaren’ilay firenena nampindrana ireny satria miverina aminy amin’ny fomba maro samihafa miodidina ny 80% eo ireny. Efa io moa ilay izy ka dia ilaina noho izany ny fepetra fametrahana rafitra manara-maso ny fampiasana azy ireny mba tsy ho anaovan’ny mpitondra izay tiany fotsiny satria tsy omena bojo ireny. Fepetra tandrametaka hatrany no fahitanay ny raisin’ny fitondram-panjakana hatreto, hoy hatrany ny Otrikafo, nefa io famoronana asa tsy misy io ihany no tena vahaolana.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny