ny tomponandraikitra tendrena tsy manao ny asany fa mijery fotsiny mameno paosy dia tsy maintsy mijoro indray I Eliace Ralaiarimanana hanatanteraka ny adidy sy andraikitra nomen’Andriamanitra, hoy ny kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo sady mpanao politika, Eliace Ralaiarimanana. Diso ihany ny fieritreretan’ny filoham-pirenena tamin’izy nanandratra ilay “lakile fopla” iny satria aty amin’I Eliace ilay lakile tena izy, hoy izy. Amin’ny alalan’ny antso avy amin’Andriamanitra no hijoroana hanavotra izao firenena izao mihitsy. Finoana no entina manarina izao fa tsy azo eritreretina ny hoe mbola misy herin’olombelona hanavotra izao. Amin’ny alalan’ny safidim-bahoaka foana io. Efa nomena foana ny sosokevitra nefa vao mainka izao miha mafy ny tsy fandriampahalemana. Ny sosialim-bahoaka tsy mandeha amin’ny izy intsony. Tsy misy ao amin’izao fitondrana izao mihitsy ny fahaiza-mitantana satria rehefa narary ny vahoaka malagasy dia fasana no namboariny. Haka an’io fako io fotsiny izao dia mila maka alalana vao afaka manao izany. Nireharehan’ny ben’ny tananan’Antananarivo anefa hoe atero any amiko ny fako rehefa tsy voaroaka. Manerana an’Antananarivo nefa misy fako daholo izao. Tsy hoe izaho tsy lany no mahatonga ahy hiteny izany fa dingana iny filatsahana ben’ny tanana iny. Eto am-piandrasana mihitsy aho izao satria ny tenin’Andriamanitra rehetra tsy misy tsy ho tanteraka. Niteny aho tamin’ireny fotoana ireny fa ho jamba izay mangalatra ny vatoko ka miandry ny fahajamban’izay nangalatra ny vatoko tamin’iny fifidianana ben’ny tanana iny aho izao. Tena nisy ny fangalarana. Tsy ny haha jamba ilay olona no maha maika anay fa ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra amin’ny maha Kristianina anay. Hisy zavatra hitranga eto amin’ny firenena ary ireny loza maro nitranga ireny efa kapoka ho an’ny filoham-pirenena daholo. Ny Covid 19 hoe nahatonga fahasahiranana indray aza no nahazoany volabe indrindra nentiny nanatanterahany ny tetikasany. Tsy nisy na inona na inona io filoham-pirenena io raha tsy nisy an’iny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,