taorian’ny fitsidihany tao Akamasoa, fa ny fanatanterahana ny fivoriana ara-teknika momba ireo Nosy miparitaka na « Iles Eparses » amin’ny 30 Jona any Paris dia fomba fanao mahomby sy miabo handrosoana amin’ny fifampidinihana momba io lohahevitra efa nampisy disadisa teo amin’i Madagasikara sy Frantsa nandritra ny fotoana ela. “Hifampidinika isika amin’ny fanapahan-kevitra lehibe mikasika ireo nos (...). Amin’ny lafiny iray, dia toy ny mitantana azy ireny miaraka isika, amin’ny fahalalana sy fifanajana”, hoy i Macron. Nambarany ihany koa fa tsy tokony ho lohahevitra mampifanditra intsony ireo nosy ireo eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, fa kosa tokony hotantanana am-pahamendrehana sy am-pitandremana miaraka. Tsy misy resaka famotsorana an’ireo izany fa fiaraha-mitantana no mety hivoaka eo, ary io rahateo no narosony. Nanome lesona aza i Emmanuel Macron, fa ny fahantran'ny 80 % ny Malagasy aloha no tokony ho laharam-pamehana sy tokony hiadian-kevitra, fa ny vaomiera iraisan'i Madagsikara sy Frantsa amin'ny 30 jona no hanapa-kevitra mikasika ireo Nosy.
TSY TE HAHALALA
Tsy te hahalala ny fehin-kevitry ny Firenena Mikambana na ny ONU tamin’ny 12 desambra 1979 nanamafy fa ao antin'ny zara-tanin’i Madagasikara ireo Nosy kely 5 ireo I Lafrantsa. Tafiditra tao anatin’ny famaranana ny ady lehibe faharoa ny taona 1946 ny fanafahafana sy famotsorana ireo zanan-tany. Isan’ny nanjanaka betsaka i Lafrantsa, izay nahatratra 80 mahery teo, saingy ny 18 tamin’ireo dia tsy votsotra, fa zary lasa zara taniny na departemanta Frantsay. Ho an’i Madagasikara, nambara tamin'ny 1958 ny fitsanganan’ny Repoblika, nambara ny 1960 fa nahazo fahaleovantena saingy sarintsariny, mbola nofatorana tamin'ny " accord de coopération", ka navotsotra ny tanibe fa notazonin'ny mpanjanaka ny ireo nosy Malagasy manodidina miisa 5: Glorieuses, Europa, Juan de Nova, Bassas da India, Tromelin. Nitsidika ny nosy Grande Glorieuse, iray amin'ireo nosy Malagasy manodidina i Emmanuel Macron tamin'ny 23 Oktobra 2019, nilaza izy hoe: "Ici, c'est la France. C'est notre fierté, notre richesse". Nandritra io fitsidihana io ihany koa, dia niresaka momba ny drafitra hananganana "réserve naturelle nationale" amin'ny nosy Grande Glorieuse i Macron, izay tanjona ho fiarovana ny harena fahasamihafana amin'ny faritra. Tsy sahy nikofoka na namoaka didim-panjakana iray monja mikasika ny Iles Eparses aza ny Fanjakana Rajoelina, fa sinema sy sehoseho na « werawera » tamin’ny fisotrona tambavy CVO teny amin’ny CCI Ivato niredonana hiram-pitolomana tahaka ny hoe : hanao zavatra ery no niseho rehefa nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery Frantsay i Andry Rajoelina ny mey 2020 fa fitakiana famerenana manontolo no atao fa tsy fiaraha-mitantana. Aiza izany izao ? Aiza ilay tsy maintsy hiverina alohan’ny 26 jona 2020 ? Niesona ny Malagasy ! Izao mbola omen’i Macron lesona !
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby