mpanolontsain’ny tanàna dia mahatsiaro aho ary mahita amin’ny maha raiamandreny ahy ary azo lazaina hoe mba ela nihetezana ihany teto amin’ny firenena, hoy ny minisitra teo aloha efa niasa hatrany amin’ny repoblika voalohany, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo, fa ohatrany lasa feno fifanenjehana ny firenena na dia ataontsika hoe any amin’ny samy mpanohitra aza. Tena tsy mety izany, hoy izy. Tsy tokony hifanenjika ny samy mpanohitra! Ny fifanenjehan’ny mpanohitra sy mpanohana aza efa tsy hita izay hanaovana azy nefa zava-misy eran-tany. Mainka hoe samy mpanohitra ve dia sanatria hifanaratsy. Samy manana ny heviny. Samy mahita ny fahitany ny raharaham-pirenena. Aoka hifanàja! Manaja ny hevitrao ny olona dia mba hajao koa ny heviny fa tsy lasa hoe hifanenjika, hifanaratsy, hifamotika, hifanimba. Tsy mitera-bokatsoa izany. Raiamandreny aho no miteny. Ilay fanaovana politika mihitsy no tsy haintsika. Tsy misora-tena ho mahay politika noho ny hafa aho fa ny fantatro fotsiny dia tena hoe ilay fanaovana politika eto mihitsy no tsy mety satria olona hanao politika izany ianao efa niomana. Misy mpitarika. Manana ny olona miaraka aminao. Manana ny firehan-kevitra. Inona no karazana fiarahamonina tokony apetraka eto Madagasikara? Ankoatran’ny filohan’ny repoblika tamin’ny repoblika voalohany dia olona efa tonga eo amin’ny fitondràna daholo vao namorona ny antoko izay filoham-pirenena niakatra teo. Tonga eo amin’ny fitondràna izy vao milaza ny praogramany, vao mitady olona. Aiza eto ambonin’ny tany no misy fiantsoana hoe mandefasa mari-pahaizana izay te ho atao minisitra? Tsy misy! Aza afangaro, hoy ny prezidà Tsiranana ny toerana politika sy toerana tekinika. Ny toerana tekinika tazonin’ny tale jeneraly, tale, talen-tsampana. Ny toerana politika an’ny minisitra, sekretera jeneraly, talen’ny kabinetra. Izay no mahavoa ny eto amintsika. Tsy misy fitohizany mihitsy ny fitantanana ny firenena. vao miova ny minisitra dia miova hatramin’ny mpamafa trano. Tena olana goavambe izany fa na haka tahaka tahaka ny inona ny any ivelany ianao, olona tsy niomana, tsy manana olona fa mitady mpandefa CV, tsy manana praograma fa teny filamatra daholo no nentin’izay lasa filoham-pirenena teo, ahoana no hampandeha ny firenenao amin’izany? Ilay tsy fisiana fitohizana no maha betsaka ny fanodinkodinana atsy sy aroa. Tsy manjary atsy, tsy mety aroa. Mila ovaina ny lalàna mikasika ny antoko politika eto. Fepetra voalohany ny hoe manana olona tena hiaradia aminy sy azony apetraka amin’ny toerana tokony ho sahaza azy. Ny an’olona vao lany ny filoham-pirenena dia efa tafatsangana ny governemanta afaka herinandro satria efa nivonona. Tsy voatery ovaina toy ny hoe hery ankavia sy ankavanana ilay hoe mpanohitra sy mpanohana fitondrana fa na anaty tokantrano aza tsy voatery mitovy fijery ny mpivady vao mandeha io tokantrano io. Saina mifameno no mampandeha ny tokantrano fa tsy saina mitovy. Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.
Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,
Nahitsy ny kandida Tahina Razafinjoelina naneho omaly tamin’ny tafa mivantana tamin’ny haino aman-jery
Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.
Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana
Manohana ary hampandany an’i Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidinana ben’ny tanàna ho tanterahana ny 11 desambra 2024