airtel

Politique

12-sept-2022

Politique

Esoeson-tenin’ny Filoha tany Ambilobe Namaly bontana ny HVM France

Sample post image

“Nisy ny nampanantena, nisy ny nilaza fa hanao raha kay tsy nahavita, nisy ny nametraka vato fehizoro hay fitaka, ny filohanareo tsy mamitaka,

12-sept-2022

rehefa nisy nampanatenaina dia vitaina. Niasa mafy, nandresy lahatra ny mpamatsy vola, nahazo famatsiam-bola…”, hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 09 septambra lasa teo, nandritra ny fitokanana ny RN5A mampitohy an’Ambilobe Vohemar. Nitondra valin-kavatra kosa ny HVM France, izay naneho fa faly izy ireo, faly ny mpiray tanindrazana, faly ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina nahita ny làlana vita soamantsara, izay niasany mafy ka nahitany famatsiam-bola. Malahelo, ary tsy hay kosa ny hangina satria ny kabary fanokafana ny làlana, kabary miendrika propagandy dia nentina hanaratsiana ny fitondrana teo aloha, hoy ny HVM France. Hendrikendrehana ho mpamitaka satria tsy tsy nahavita ny làlana, kanefa raha ny Filoha Hery Rajaonarimampianina manokana, ny volana may 2017 no vita ny fifampiraharahana ara-bola, rehefa niady mafy ny hahazoana izany. Natomboka ny asa, ary 24 volana no nifanarahana hahavitana izany. 4 taona aty aoriana izy io vao vita. Tsy “normal” ve raha ny taona 2018 nahazoana ny vola sy nialana teo amin’ny fitondrana dia mbola tsy vita ny lalana ka nahoana no hitsarana olona ho mpamitaka? Iza marina no mpamitaka sy mbola te hamitaka? Hoy ny HVM France. Tsara moa no mampahatsiahy, fa ny 09 septambra 2022 teo, dia namoaka fanambarana ihany koa ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. “Miara-mifaly amin'ny vahoaka amin'iny faritra avaratra iny, eny mbamin'ny firenentsika mihintsy amin'izao fahavitan-dalana RN5A mampitohy an'i Vohemar sy Ambilobe izao. Nody ventiny ny ezaka nataoko efatra taona lasa izay, ny 16 aogositra 2018 no nametrahana ny vatofehizoron'ny asa fanamboarana ny asa ka izaho Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenena tamin'izany no nanao azy izay nahazoana famatsiam-bola 158 tapitrisa dolara avy tamin'ny fanjakana sinoa ny volana may 2017. Ny 19 aprily 2019 no natomboka tamin'ny fomba ofisialy ka ny Filoha ankehitriny no nitarika izany, 24 volana no voafaritra hanatanterahana ny asa tamin'ny fotoana nahazoantsika ny famatsiam-bola,…”, hoy i Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap