airtel

Politique

02-juin-2023

Politique

Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio

Sample post image

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

02-juin-2023

ho an’ny Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara. Marihina fa ny 4 jona 1776 no nahazo fahaleovantena i Etazonia. Nomarihina tamin’ny lanonana notarin’ny Ambasadaoro Rtoa Claire Pierangelo, ary nitarika ireo solontenan’ny governemanta Malagasy kosa ny Minisitry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla. Teboka maro no noresahan’io diplaomaty Amerikanina io, toy ny ny nilazany fa efa maherin’ny 150 taona no naha-mpirahalahy mianala an’i Etazonia sy i Madagasikara, endrika maro no nanehoana izany. Ny governemanta amerikana ohatra no mpamatsy vola lehibe indrindra ho an’ny sehatry ny fahasalamana, no sady firenena manome fanampiana vonjy aina sy ho an’ny fampandrosoana betsaka indrindra any atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Fandaharanasa maro tanterahan’ny USAID no iaraha-misalahy amin’ny governemanta Malagasy sy ireo mpiombona antoka eto an-toerana mba hanomezana fanampiana manavotra aina eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanjariana ara-tsakafo, fiarovana ny tontolo iainana, fanohanana ny fampandrosoana sy fihariana maharitra, fanabeazana,…. Vonona hatrany hanolo-tanana an’i Madagasikara i Etazonia ho fampiroboroboana ny toekarena mba haharitra sy hisokatra amin’ny fampiasam-bola ary hitondra tombontsoa ho an’ny firenena roa tonta. Notsiahiviny fa tamin’ny taon-dasa iny no nahatratra 1000 tapitrisa dolara ny teti-bidin’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. I Etazonia no tsenam-barotra lehibe indrindra ho an’ireo vokatra roa lehibe fanondran’i Madagasikara amin’ny alalan’ny AGOA dia ny lamba sy ny lavanila. Eo ihany koa ny fampanjariana ny filaminana eto an-toerana sy eto amin’ny faritra manodidina, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny polisim-pirenena, sy ny zandarimaria ary ny tafika, mba hiadiana amin’ny herisetra mahery vaika, ny jono tsy ara-dalàna, ny famarinana sy fanondranana olona, ary ny fanondranana zava-mahadomelina. Malagasy roa no hanainga amin’ny faramparan’ity volana ity hiofana momba ny fahaiza-mitarika any amin’ny U.S. Naval Academy sy ny U.S. Coast Guard Academy. Manamarika ny taona 2023 ihany koa ny fiverenan’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Peace Corps eto Madagasikara taorian’ny valanaretina COVID-19 amin’ny asa sosialy toy ny fampianarana teny anglisy, teknikam-pambolena,... Nataony am-para filaza kosa ny politika ka nanambarany hoe: “tohananay ny fahavononan’i Madagasikara hanatanteraka fifidianana malalaka sy madio, ary efa miandry sahady ny fanambarana ofisialy ny datim- pifidianana izahay afaka volana vitsy”, hoy ny Ambasadaoro Claire Pierangelo .
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap