dia miverina tanteraka any amin’ny Repoblika faharoa, milahatra vary vao maniran-dratsy, porofo maneho fa mahantra sy farahidiny ny olona, ambany dia ambany fahefa-mividy, ka miezaka mitady izay mora, indrindra fa ireo zaraina sitrany ahay vaza-mihetsika, aleo maty rahampitso toy izay maty androany. Miteny ho azy ny tarehimarika navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena fa tafiakatra 81% ny tahan’ny mahantra, raha 73% talohan’ny taona 2019 nahazoan-dRajoelina fahefana. Ny krizy ara-tsosialy efa tsy takona hafenina intsony. Efa nisy teto ny famarotana hani-masaka mora na “kaly tsinjo”, izay nisy fotoana aza ny Filoham-pirenena mihitsy no mitana sotrobe. Indraindray toa lasa fahafinaretan’ny mpanao politika no mahita olona mitangorona, milahatra ireny fanampiana ireny. Tsy ny fizarana zavatra no ratsy, ary tena mety ny mifanampy, mitsinjo ny mpiara-belona amin’izao vanim-potoana sarotra izao. Tsy mety kosa ny fanaovana fitaovana ny vahoaka ho amin’ny tombotsoa politika, hividianana ankolaka ny vatony amin’ny fifidianana, hampiasana ny sariny ho fitaovana fa nanao asa soa ny mpanao ny mpitondra izatsy na izaroa, izay matetika volam-panjakana sy fananam-panjakana no hanaovany an’ireny. Raha mahay mitantana, manana paiakady ara-politika mazava, manana paikady matipaika hiatrehana sy hanarenana ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny mpitondra, tsy ho tonga any amin’ny fitadiavana zavatra mora sy maimaimpoana ny olona fa hanan-tsafidy amin’ny tolotra rehetra misy. Matetika ireny tsy mahafaobe, fa ny serasera no tena lalaovina, hany ka sanatria lasa manao fitaovana ny fahoriam-bahoaka.
Toky R
Sary indramina
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby